Oniversiten’i Fianarantsoa – Aato mandritra ny tapabolana ny fampianarana noho ny Lalaon’ny Nosy

Aly

Araka ny fanambarana navoakan’ny tompon’andraikitra any amin’ny Oniversite any Andrainjato Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony, aato mandritra ny tapabolana ny fampianarana any an-toerana, noho ny fanatanterahana ny Lalaon’ny Nosy eto amintsika mandritra ny 15 andro. Araka io naoty io dia mitsahatra ny fampianarana ao amin’ny Oniversite mandritra ny tapabolana nanomboka omaly, ny antony dia mba hahafahan’ny mpianatra manao ny fifaninanana raha toa misy izany, ary mba hahafahan’ny mpianatra mandray anjara amin’izay hetsika atao mahakasika ny Lalaon’ny Nosy koa.

Ny mahakivy ireo mpianatra amin’izao fanbapahan-kevitra izao, ao anatin’ny fanadinana izy ireo amin’izao sady nilaza ny ankamaroany fa raha aty Antananarivo no atao ny lalao dia maninona no izy ireo any Fianarantsoa no hijanona. Mampieritreritra tokoa ilay naoty navoaka.