Fahitana vahiny ny raharaham-pirenena – Mitsambiki-mikimpy Rajoelina sy ny ekipany

Beharo

Ho fatoran’ny teny nataony hatrany hatrany Rajoelina hoy ireo vahiny sendra ny mpanao gazety teny Avaradrano teny, tamin’ny faran’ny herinandro teo, raha nanontaniana ny momba ny raharaha politika eto Madagasikara nandritra izay fotoana nitondran-dRajoelina izay.

Vaky vava tokoa ry zareo nahare, fa ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika mihitsy, izay tsorina fa izy ihany no nanendry azy tao, no nanao adalana tany Londres tany, ka dia izao voagadra miandry fitsarana izao, izay azo inoana hoy ry zareo fa nahazo “Feu vert”, na nahazo tso-drano tamin’ny filoha Rajoelina matoa tafavoaka teny Ivato, sy tonga tany ivelany tany, ka mody nolazaina fa naka rivotra, manao vakansy, nefa tratra teny am-pivoriana mihitsy, izay tsy logique ihany hoy ry zareo ireo. Mpandraharaha vahiny miasa eto an-toerana ireto vahiny, mahay sy mahazo ny teny malagasy ary efa ela nipetrahana teto tokoa.

Vao tsy ela koa no nanakoako teto an-toerana ny hoe: mandrora mitsilany mihitsy ny filoha Rajoelina io raha ireny làlana RN13 ireny, izay tokony ho tratrariny tamin’ny 2021 no asian-teny, raha ny kabary nataony tamin’ny volana oktobra 2020, izay mbola tsy tanteraka hatramin’ny farany hatramin’izao, ka nahatonga ny maro hilaza fa resaka lainga avokoa raha atao in-dray mijery. Teo moa no nilazany fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy tanteraka hatramin’ny farany io làlana io, nefa mba diniho kely hoy ireto vahiny, fa toa kabary am-bava fotsiny ihany, fa tsy mahay manatanteraka akory, fanjakana mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena raha bangoina tsotra, manao be lazao hoy ireto vahiny naneho hevitra. Raha atambatra ny feo sy ny akom-baovao voaray, sy ireo izay efa naely teto, dia milaza ny mpanoratra fa: tsy aleo ve mihataka io fitondrana io, fa tena tsy matotra sy tsy zatra ady.

Mazava izany, fa na vahiny na tera-tany malagasy, dia tsy vitsy no efa tofoka amin’izao fitondrana Rajoelina izao, tsy mijery izay mahasoa ny vahoaka fa dia variana amin’ny mahafinaritra sy ny manara-penitra diso làlana, vokatry ny velirano 13 natao petatoko hoy ny maro: ahitana olon-tsotra, mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, ny onjam-peo sy haino aman-jery tena milaza ny marina, ireo mpanao facebook miparitaka maneran-tany hita sy voaray,…