Miala Rajoelina. J- 14 – Mampiasa ny foloalindahy ho herim-pamoretana

Niaina

Nampibaribary indray ny jadona sy ny fanamparam-pahefana ataon’ny fitondrana Rajoelina eto amin’ny firenena, ny fanakanana ny fanambarana saika ataon’ireo mpanao politika tao amin’ny Yandi By-Pass ny alakamisy teo. Na tsy nahazo nidirana aza ny tao amin’io Espace io, afaka nanao ny fanambarana teo an-dalambe ihany ireo tonga teny an-toerana.

Mpitandro filaminana maro no niambina ny vavahadin’ny trano fandraisana lanonana Yandi By-Pass teny Alasora, tsy ho azo nidirana ny alakamisy 24 aogositra 2023 tolakandro teo. Tsy tafiditra tao ireo mpanao politika avy amin’ny antoko samihafa sy ny mpanohana azy ireo avy, raha nikasa hanao fanambarana iombonana mikasika ny fiandrianam-pirenena. Samy nanontany tena rehetra tamin’izany: angaha tsy azo atao intsony ny mivory na anaty trano mihidy aza? aiza ho aiza ny zo fototra fahalalahana mivory sy maneho hevitra? Tapaka ny lalana teny amin’ny By-pass noho izany tamin’ny atoandron’io andro io, noho ny fitangoronan’ny olona teo anoloan’ny vavahadin’ny toeram-pilanonana Yandy By-pass.

Saika hanao fanambarana tao an-toerana ny antoko politika maromaro kanjo nohidian’ny mpitandro filaminana avy any anatiny ny vavahady. Tazana teny an-toerana ny avy amin’ny MTS, ny TIM, ny ARB, ny LERA, ny Mihava Tours, HVM, APM, RMDM, FLN, OTRIK’AFO, MMM, MFM, ADM, sy ny maro hafa,… Manohitra ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina amin’ny maha Frantsay azy avokoa ireo antoko ireo. Ny MARO AN’ISA sarotiny amin’ny FIANDRIANAM-PIRENENA no MIRAY FEO manohitra ny FANJANAHANA amin’ny endriny vaovao. Tsy azo ekena intsony ny fijanonan’i Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana izay mampiasa ny Foloalindahy ho HERIM-PAMORETANA, soa ihany fa efa 14 andro: J-14 sisa hijanonana amin’ny toerany, izy izay manana eritreritra ny mbola hirotsaka hofidiana na ninia ho vazaha taratasy aza.