Fianakaviamben’ny Sendika sy ny Seces – Tsy azo ekena intsony ny antsojay sy fanamparam-pahefana

Niaina

Nanantanteraka fivoriana teny Ankatso omaly maraina ny FSMM na ny Fianakaviamben’ny Sendikan’ny Mpiasa Malagasy, niaraka tamin’ny SECES Antananarivo, na ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka eto Antananarivo. Anisan’ny nivoitra tamin’ity fihaonana ity ireto manaraka ireto: filazana ireo maharary ny mpiasa malagasy, na miankina na tsia amin’ny fanjakana.

Manoloana ny antsojay sy ny fanaparam-pahefana, dia nilaza ny izy ireo fa tsy azo ekena intsony izany. Nanentana ireo mpiasa malagasy hifoha ihany koa izy ireo, mba handray an-tanana ny hoavin’ny mpiasa malagasy. Manameloka marindrano ny herisetra nataon’ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny mpianatra nanao fihetsiketsehina ihany koa. Milaza ny FSMM sy ny Seces Antananarivo, fa santatra am-bavarano ihany izao fivoriana niaraka nataony izao, fa mbola hisy ny tohiny.