Ankatso – Habibiana no nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ireo mpianatra

Stefa

Tena habibiana no nataon’ireo mpitandro filaminana, tamin’ireo mpianatra mitaky ny zony hianatra afak’omaly teny Ankatso, tsy tahotra tsy henatra intsony, fa samy nidaroka toy ny daroky ny tsy mlaila vola hoy ny fitenenana izay ireo mpitandro filaminana tonga nandrava ny hetsiky ny mpianatra teny amin’ny Anjerimanontolo. Manoloana izany, manameloka izany ireo fikambanan’ny mpianatra misy eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo: manameloka ny herisetra natao taminy ireo mpianatra. Sokajian’izy ireo ho toy ny hery famoretana ny mpitandro ny filaminana. Mahatsiaro voafitakin’ny Filohan’ny Oniversite ihany koa izy ireo, tsy nampahafantatra azy ireo ny fialan’ny “franchise universitaire.” Efa tafaverina any amin’ny fianakaviany avy ireo mpianatra nosamborina. Ilay zava-maneno kosa tsy mbola naverin’ny mpitandro ny filaminana. Miato hatramin’ny fotoana tsy voafetra aloha ny fitokonana. Hiverina hanao fitakiana izy ireo raha mitohy lavareny ny fahafatesan’ny Oniversite.