EDITO 26 Aogositra – Resaka HCC sy CENI – Ho kianja maloto no hilalaovana amin’ny fifidianana

Sôh’son

Haloto ny kianja hilalaovana raha eo amin’ny resaka fifidianana ho avy. Na dia tsy miseho mivantana aza dia hita taratra ny tian’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ahatongavana. Efa hatramin’izay fotoana niasan’ireo mpikambana ankehitriny ireo ka mandraka ankehitriny.

Tsy atao hahagaga velively raha ho an’izay mahay manaraka ny fitantanan-draharaham-pirenena eto, ireny fanambarana navoakany ny talata lasa teo ireny. Efa hita taratra ireny raha vao nanipinipy teny momba ny fizakana ny zom-pirenen’i Andry Rajoelina ny filohan’ny HCC andro vitsivitsy lasa izay. Nambara tamin’ny lahatsoratra natao teto, fa misy mampanahy tanteraka ny hevitr’ity andrim-panjakana iray ity momba ny amin’ny filohan’ny Repoblika. Nambarany sy notsindriany hatrany mantsy ny amin’ny fizakana ny zom-pirenena malagasy, fa tsy nanisy resaka na dia kely aza izy ny momba ny amin’ny fizakan’i Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay. Efa midika zavatra betsaka izany amin’izay hambarany amin’ny hoavy. Dia ireny fanambarana momba ny fitoriana napetraka tany aminy ireny no santatr’izany, fa mbola hoavy ny manaraka, izay hifanohitra na amin’ny tsy eken’ny sain’ny olom-pirenena maro saropiaro mafy amin’ny fiandrianam-pirenena sy ny mikatsaka fahaleovantena madio mangarahara tsy mifamatopatotra amin’ny mpitondra frantsay, izay nanjanaka ity firenena malagasy ity na tamin’ny fotoan’andro na fanjanahana amin’izao endriny vaovao izao.

Rehefa ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana no mitarika ho amin’izany endrik’izay ho fifidianana toy izany, dia haloto ny kianja hilalaovana. Tsy ho voahaja ny tany tan-dalàna, araka izay nambaran’ny mpahay ara-toekarena sy politika andro vitsy lasa izay. Raha hijery vilana ny Hcc na dia misy aza ny fandikan-dalàna samihafa sy ny tsy fitoviana eo amin’ireo antoko manohana ny fitondrana sy ny avy amin’ny fanoherana eo amin’ny hetsika izay atao rehetra, dia ho kianja maloto no hilalaovana eto manomboka izao. Ao anatin’izany ny momba ny Ceni sy ny paipaik’ady politika maloto samihafa ataon’ny eo anivon’ny fitondrana na ireo antoko manohana azy, afafy miandalana eo anivon’ny fiaraha-monina.

Hampanahy fatratra araka izany ny hoavin’ity firenena ity, satria ny andry natao hiaro sy ho saropiaro amin’ny fampanjakana ny fahamarinana eto amin’ny firenena no hinia hikimpy sy hanarotsarona ny lala-maizina hampizorana ny firenena. Hamoa-doza izany ary hametraka vanja milevina miandry fotoana hipoahany fotsiny. Tsy an-kijery sy tsy hisainina intsony eto ny amin’ilay fiteny feno fahendrena hoe “ny kianja no tsy asian-dratsy, mbola hilalaovana”, f’izay lalana any lalany. Mila ny fahatongavan-tsainan’ny vahoaka malagasy tanteraka izany, fa ho sarotra ny lalan-kizorana.