RY ZAREO MPITSARA AVO

Nanondrana indray ry mahay sy be saina,
Fa tsy araka ny izy sy ny nantenaina
Ny zava-boalazany sy ny nambarany,
Ka toa manala baraka ny anarany!

Raha zazakely no nanontaniana
Dia mba noleferina, tsy notsiniana,
Fa saingy ny katraka sy ny mahay
Ka dia mampieritreritra ihany indraindray!

Moa ny tsindry no tena mavesatra loatra?
(Mba miezaka hijoro fa tsy afa-manoatra!)
Sa ny herin’ny vola no tena mamely
Ka tsy afa-misandratra mba ho modely?

…Dia inona indray no ho vokatr’izany
Ho an’iretsy vahoaka mandady amin’ny tany?
Satria ny filoha hay toa efa tsy gasy
Fa tena efa niofo ho vazaha taratasy!

Dia io ve no ezahina arovana foana
Ka indro ianareo fa dia toa mody moana,
Na koa miala bala sy manafina endrika
Hoenti-manavotra ity efa ho rendrika?

Izany va re no nanao fianianana?
Ahoana ireo mari-pahaizana ananana?
Sa ampirimina fotsiny ireny
Fa tena Ravola no hany miteny?

TSIMIMALO (23-08-23)