Nanatitra voalohany dosie tao amin’ny HCC – Vonona sy sahy amin’ny fifidianana ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, no kandidà voalohany tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana tetsy amin’ny HCC Ambohidahy ny alakamisy teo.

Araka ny fanambarana fohy nataony : “tonga teto amin’ny HCC ny tenako androany, nametraka ny “dossier de candidature” amin’ny FIFIDIANANA Filoham-pirenena ny 9 NOVAMBRA 2023 ho avy izao. Tontosa soa amantsara izany hisaorantsika Andriamanitra. Vonona sy sahy aho hiatrika izany fifidianana Filoham-pirenena izany, ny 9 NOVAMBRA 2023 ho avy izao.”

Nanatitra dosie voalohany ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy, hiady mafy ihany koa izy sy ny mpomba azy, ka ho voalohany ho mpandresy rehefa ho tonga izany fifidianana izany. Ny antoko TIM no irotsahany hofidiana, fa ireo olon-drehetra tsy ankanavaka hanohana azy kosa, na mpanao politika, na fiarahamonim-pirenena, na fikambanana samihafa, na olon-tsotra,… dia hivondrona ao amin’ny KMMR: Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana, hampandresy azy amin’izany adidy masina hatrehan’ny mpifidy izany amin’ny 9 novambra ho avy izao io.