Sata fitsipi-pitondrantena tsara ny antoko politika – Hanaraka izany ny TIM, tsy hita tabilao ny TGV

Isambilo

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotel Carlton Ampefiloha omaly, ny sata fitsipi-pitondrantena tsara ho an’ny antoko politika eto Madagasikara, izay nataon’ny Fondation Alemà: FES: Friedrich Ebert Stiftung. Mpanao politika maro eto amin’ny firenena no niatrika an’izany, anisan’izany ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana, tao koa ny avy amin’ny antoko HVM notarihan’ny mpandrindra nasionaly Rivo Rakotovao, sy ny maro hafa,… Tsy hita tabilao kosa ny mpiara-dia amin’ny fitondrana: ny TGV,… Antoko politika 4 vaovao ihany koa no nanasonia izany sata izany omaly.

Ny sata fitsipi-pitondrantena tsara ho an’ny antoko politika, na charte de bonne conduite des partis politiques, ny anisan’ny zava-dehibe ao anatiny dia ny fametrahana fanaovana politika ao anatin’ny fifaninanana masina sy ao anatin’ny fifanajana, ka ny antoko politika manasonia azy dia manome toky fa hanaraka izay voalaza. Amin’izay maha-sata azy izay koa, manana sanda ambony noho ny lalàna izy. Ny antoko TIM tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana dia efa ela no nanasonia ity sata ity, tsy hita tabilao kosa hatramin’izao ny antoko mpiara-dia amin’ny fitondrana, toy ny TGV,…

Araka ny efa voalaza teo, midika izany fa tsy vonona ho amin’ny fanatsarana ny fanaovana politika eto Madagasikara izy ireo. Mbola mitady hiantehitra amin’ny hosoka sy ny halabato ihany, ka tsy hanaja izay vokatra araka ny tena safidim-bahoaka. Mbola misokatra ny fanasoniavana izay sata izay, ka ho hitantsika eo ihany ny ho tohiny.