Vatican – Tsy ho sahy namitaka ny Ray Masina kosa angamba Rajoelina

Andry Tsiavalona

Matoan-dahatsoratry ny gazety mpitondra tenin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny herinandro teo ny hoe nanomezan’ny Papa François « tsodrano » an’i Rajoelina Andry Nirina, rehefa nihaona tany Vatican izy sy ny vady aman-janany ny alakamisy lasa teo. Tsara tsiahivina fa tamin’ny fandalovan’ny Papa François teto dia nampitandrina ny fitondrana malagasy izy eo amin’ny tranga rehetra mety hampididoza, tsy ho an’ny Firenena ihany, fa ho an’ny Malagasy tsy vaky volo mihitsy. « Tsodrano zava-mahery » hoy ny Fahendrena malagasy ary eo amin’ny Fivavahana kristiana dia fahasoavana koa ny fandraisana ny tsodrano. Mialohan’ny hanomezana izany anefa dia tsy maintsy manaiky ny fepetra rehetra ifotoran’izany ny olona iray. Eo amin’ny Finoana Katolika dia misy ny « Kôfesy » (confession) atao amin’ny Pretra amborahana ny fahotana natao. Tsy amin’ny Mpitondra Fivavahana ihany anefa no tokony hiaiky heloka, fa amin’Andriamanitra indrindra indrindra.

Nialohan’ny nanomezan’ny Papa Ray Masina “Tsodrano” an-dRajoelina Andry Nirina dia niaiky ny helony noho ny namitahany ny Malagasy sy nanafenany, fa nangataka ary mizaka ny zo-pirenena frantsay izy nialohan’ny nirotsahany ho kandidà filoham-pirenena, ny taona 2018? Tsy misy mahalala izay zava-nitranga tao ny rehetra fa ny azo lazaina dia ho sahin-dRajoelina Andry Nirina ihany koa ve ny namitaka ny Papa Ray Masina François, ka nangataka tsodrano izy mba ho afaka hilatsaka kandidà ho filoham-pirenena? Angamba tsy ho sahy namitaka ny Ray Masina François kosa angamba ny Filoha, izay efa lazain’ny maro fa Rainilainga. Niaiky ve Rajoelina Andry Nirina fa tsy nanao fianianana tamin’ny Baiboly tamin’ny fotoana nametrahana azy tamin’ny toeran’ny Filohan’ny Repoblika izay manana ny lanjany lehibe tokoa eo amin’ny Finoana? Azo inoana fa nangataka izany ny filohan’ny Repoblika mialohan’ny kongresin’ny TGV, aorian’ny fametraham-pialany, mba ho marimpototra tsara, araka ny fiheveriny azy, ny fangatahan’ny antoko azy hirotsaka. Azo inoana ihany koa fa tsy maintsy hangataka ny tsodran’ireo ampanjaka sy mpitàna hazomanga ary tangalamena Rajoelina Andry Nirina, asa mialoha sa aorian’ny kongresin’ny TGV kanefa raha ny lojika dia mialohan’ny kongresy no hangatahany izany. Na ahoana na ahoana anefa dia tsy ny TGV na ny tangalamena na ny mpitàna hazomanga na tangalamena no afaka misolotena ny Malagasy iray manontolo, ka hanampi-maso manoloana ny maha vazaha frantsay an-dRajoelina Andry Nirina ary hanitsakitsaka ny Lalàna velona toy ny fanaony nandritra izay folo taona nitondrany izay.

Marina fa ny fahefana rehetra dia avy amin’Andriamanitra kanefa rehefa mivaona tsy manaraka ny Sitrapony ka mangalatra, mandainga sy manao kolikoly ary mampaory ny mpiara-belona aminy ny olombelona dia hesorin’Andriamanitra aminy izany fahefana izany. Maro ireo mpanjaka voalaza ao anatin’ny Baiboly no niharan’izany satria tsy nihaino ireo mpaminany irak’Andriamanitra nampitandrina azy tamin’ny zava-doza nataony teo amin’ny fireneny. Tsy ho voatanisa ny lainga sy ny fitaka ary ny fampanantenana nataon-dRajoelina Andry Nirina tamin’ny Malagasy izay. Manjaka tanteraka eto amin’ny Nosy ny “kolikoly” izay “fototry ny ratsy rehetra” ka tsy miaina, ao anatin’ny “fahamarinana” izay “manandratra ny Firenena” araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly, ny Malagasy. Manan-kery sy mitondra soa ho an’izay mangataka izany ny “Tsodrano” raha tsy hoentina mamitaka na manapotika ny fiainan’ny mpiarabelona na ny mpiray firenena, na hatao fitaovana handemena ny sain’ny marivo salosana izay matoky an-kamehana ny “velirano” eo am-bava, kanefa “vely kibay” no avy ao am-po.