Firotsahana hofidiana filohampirenena – Nanomboka omaly ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao

Isambilo

Nanomboka omaly 23 Aogositra 2023, ka tsy hifarana raha tsy ny alarobia 6 Septambra 2023 ho avy izao ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho filohampirenena, ho an’ireo hifaninana ho eny Iavoloha sy Ambohitsorohitra eto amintsika. Manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva ny fotoana fametrahana ny antontan-taratasy eo anivon’ny HCC ho an’ireo izay te hirotsaka ho fidiana.

Miisa 15 ireo antontan-taratasy takiana amin’ny Kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2023 ity:
-Fanambarana firotsahana ho fidiana voasonian’ny Kandida, izay voamarin’ny manampahefana mahefa.
-Kopia nahaterahana/Kopian’ny karapanondrom-pirenena malagasy.
-Cetificat de Nationalité Malagasy, nomena latsaky ny 6 volana.
-Taratasy Casier Judiciaire Bulletin numero 3.
-Kopian’ny Karatry ny Mpifidy sy fanamarihana fa voasoratra anarana ara-dalàna ao anaty lisi-pifidianana ilay Kandida.
-Taratasy fanamarihana avy amin’ny Tomponandraikitry ny hetra, fa nahavoaloa ny hetra ara-dalàna tokony haloany rehetra ilay kandida.
-Taratasy fanambarana avy amin’ilay kandida, fa nahavoaloa hetra sy tataon-ketra ara-dalàna izy.
-Taratasy Filazam-pananana toy ny tany sy trano rehetra an’ilay kandida, sy ny filazana ny fidiram-bolany rehetra.
-Taratasy fanamarinam-ponenana avy amin’ny Fokontany, izay manamarina fa nipetraka sy nonina teto Madagasikara tao anatin’ny 6 volana farafahakeliny, talohan’ny farany fametrahana taratasy filatsahan-kofidiana ilay kandida.
-Taratasy fanamarihana, fa natolotry ny Antoko Politika mijoro ara-dalàna na vondrona antoko Politika ara-dalàna misy eto Madagasikara ilay kandida, na koa taratasy manambara, fa manana olomboafidy mpiahy araka ny voatondron’ny Lalàm-pifidianana ny taona 2018.
-Taratasy fanambaran’ny kandida, fa vonona hanaraka sy hanaja antsakany sy andavany ny Lalàm-panorenana, izay hapetraka amin’ny HCC.
-Quittance sy taratasy fanamarihana, fa voarotsaka ara-dalàna ny caution, firotsahana ho fidiana mitentina 200 Tapitrisa ariary voalazan’ny lalàna.
-Ny sary famantarana sy sarin’ny kandida (version electronique), ho ampiasaina amin’ny Bulletin unique.
-Kopian’ny fanamarihana ny fametrahana ny taratasy fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco.
-Taratasy faneken’ny Kandida ny voalazan’ny lalàna, momba ny famatsiambola ampiasaina amin’ny fampielezankevitra, hisorohana ny famotsiambola sy kolikoly ary fampiasambola tsy ara-dalàna.

Ireo daty mbola tsara ho fantatra koa amin’ity fifidianana hatao ny 9 novambra eto amintsika ity: 11 jolay 2023 : nivoaka ny didim-panjakana nanaika ny mpiufidy hanefa ny adidiny. 23 aogositra, nanomboka omaly ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. 6 septambra, mifarana ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ao amin’ny HCC Ambohidahy. 10 oktobra 2023, hanomboka ny fampielezan-kevitra. 7 novambra, hifarana ny propagandy. 8 novambra, fahanginana ara-pifidianana na silence electoral. 9 novambra, daty hanatantereahana ny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany. 2O desambra 2023 ny fifidianana fihodinana faharoa.