NY AKOHOVAVIN’NY FILOHA

Ny akohovavin’ny filoha no hotenenina?
Toa mandà tsy te hanoratra ny penina.
Raha ny vava sy hajejoana dia ananany,
Saingy tazana eny foana ny havendranany!

Tena miaiky ireo rehetra izay mitazana.
(Asa ireny na akoho hafa karazana !)
Fa izay hitany rehetra dia tsaingohany,
(Izany angaha no baiko avy amin’ny filohany!)

Hatreto aloha dia tsisy zava-tsara vitany,
Fa ny ataony dia mikepoka izay hitany.
Izy ilay maneno koa, manaitra ihany,
Toy ny hoe hilaza loza hatrany hatrany!

Marobe ireo mpijery no efa leo
Raha vao mba miakatra eny an-kianja ry zareo,
Satria ny zavatra efa hita sy tsikaritra,
Dia ny ataony, tsisy iray mba mahafinaritra!

Ireny angaha ilay sambasamba niaka-tsehatra,
Ka ny ataony rehetra rehetra mamohehatra.
Saingy misy ny mahita tsirony aminy,
Fa ireny no akohovavy tena maminy!

TSIMIMALO (20-08-23)