EDITO 24 Aogositra – Miala Rajoelina. J- 16 – Manao kitoatoa sy an-tandrevaka ny fitaizana ny tanora malagasy

Sôh’son

1 andro sisa dia hanomboka ny Lalaon’ny Nosy eto amin’ny firenentsika. Mitaky asa vonona izany. Dia na hita manao asa samihafa ho amin’ny fandraisana izany aza anefa ny tomponandraikitra eto amin’ny firenena, toy ny eo anivon’ny fitondrana dia miharihary ihany ny hakelin’ny heriny. Miezaka manamboatra ireo lalana izay saiky simba tanteraka avokoa izy ireo ao anatin’izany ary asaina miàsa mafy ny orinasam-bazaha vaventy. Midika izany, fa may ny endi-boanjon’izao fitondrana Rajoelina izao. May volon-tratra izy noho ireo lakolosy fanairana maro amin’ny fahitana ny zava-misy izay kitoakitoa be ihany, toy ireo nataon’ireo federasiona maromaro andro vitsivitsy kely lasa izay. Eo ihany koa ny fanakianana sy tsikera nataon’ny maro sy ny filazana fa ho afa-baraka eto ny firenena malagasy. Efa tokony ho tamin’ny taon-dasa no natao izany asa izany, fa izao vao mikoropaka etsy sy eroa.

Mazava loatra, fa tsy fahaiza-miasa sy mandamin-javatra izany. Ny fanamarihan’ny olom-pirenena maro aza, dia zary maivamaivana be ihany ny fanentanana amin’izany na eo amin’ny marika tokony hisy eny an-dalambe rehetra eny na amin’ny haino vaky jery. Tsy ampy ny serasera fanentanana sy fampiainana ny olom-pirenena sy ny vahoaka malagasy an’izany. Tsy mitovy velively tamin’ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy tamin’ny andron’ireo fitondrana nifamdimby rehetra teo aloha nandray izany ny zava-misy ankehitriny. Midika zavatra be dia be izany ary ahatarafana zavatra maro. Ahafahana indray ihany koa mandrefy ny lentan’izao fitondrana Rajoelina izao amin’ny fanatanterahana Lalao iraisam-pirenena toy izao, na fanomezan-danja ny taranjam-panatanjahantena eto amintsika, na ny fitsinjovana marina sy ny toerana omen’izao fitondrana izao ny zatovo sy ny tanora malagasy.

Hita hatreto, fa kitoatoa sy alasafay ny fitaizana ny tanora Malagasy ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, soa fa 16 andro sisa ipetrahany eo: J- 16 hoy ny fiteny vahiny izay. Lasibatry ny zavamahadomelina amin’izao fotoana izao ny tanora Malagasy. Ny fihaonana ara-panatanjahantena toy izao mihitsy anefa no sehatra iray lehibe ahafahana miady amin’izany sy aroriaka lehibe ho an’ny tanora. Mazava loatra, ary miharihary tsara araka izany, fa tsy manana ny fahaiza-mitantana sy politika momba ny itaizana ny zaza, ny zatovo sy ny tanora malagasy mihitsy izao fitondrana Rajoelina izao. Fihatsarambelatsihy sy famonjena fotoana iray fotsiny malaza amin’io sehatra ara-panatanjahantena io, toy ny tamin’ny nampisongadina ny Barea, vao mody misehoseho ho tomponandraikitra sy tena mitsinjo azy ireo izao fitondrana izao. Mitombina hatrany ny filazana, fa tsy natao hitondra firenena mihitsy ireo olona eo amin’ny fitondrana ankehitriny ireo. Ho potika sy ho simbasimba ny zanaka malagasy raha izao no mitohy. Tsy azo ekena hitohy intsony ny toy izany.