ANTSO AVO HO AN’NY MPAMPIANATRA SY MPANABE

Mihetseha ry mpampianatra sy mpanabe
F’efa mafy dia mafy ireo lala-nodiavina,
Tsisy taranaka ho vanona anie
Raha isika no esoina sy tsinontsinoavina!

Anarany isika no nokilasiana
Fa kitro ifaharan’ny fampandrosoana,
Kanefa matetika no ampijaliana
Sy toa faralahiny lava eny foana!

Ireo tambin-karama, mazàna no tara,
Ny tena karama, tsy dia mba mivoatra,
Ka ‘ndeha isika mba hampaneno anjomara
Fa efa mba tena tsy rariny loatra!

Variana amin’ny bizina ireo eny ambony.
(Ny lalany koa efa tena hifarana!)
Iniany tsy atao amin’ny toerany intsony
Ny momba ny sehatry ny fampianarana!

…Ka mijoroa hojeren’ny mpitazana
Ianao ry mpampianatra sy mpanabe,
Fa marary ny sehatry ny fanabeazana,
Ka mila anao mba ho hita sy re!

DADAN’i ZINA (18-08-23)