Toamasina. Filoha Ravalomanana – Nanome toromarika ny amin’ny fananganana ny KMMR

Isambilo

Any Toamasina faritra Atsinanana amin’izao fotoana ny filoha Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny antoko TIM sady anisan’ny nanambara voalohany, fa ho kandidà amin’ny fifidianana filohampirenena hatao eto amintsika ny 9 novambra ho avy izao. Teo ny fihaonany tamin’ireo mpitarika ny antoko tany an-toerana, ny fihaonany tamin’ny solontenan’ny mpianatry ny Oniversite any Barikadimy. Omaly kosa izy dia nanatrika ny fanokafana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny fiangonana FJKM.

Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpitarika ny antoko any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjireofo ary Alaotra Mangoro, tao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana izao, no nanomezan’ny filoha Ravalomanana toromarika ny amin’ny fananganana ny KMMR, na ny Komity Manohana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ho avy. Ny KMMR dia vovonana fa tsy ny avy amin’ny antoko TIM ihany no ao anatiny, ivondronan’ireo rehetra izay resy lahatra amin’ny filoha Marc Ravalomanana, sy ny fandaharan’asany amin’ny fifidianana ho avy io.

Nandritra izany no nifampizarany tamin’ny rehetra ny MAP +, sy izay andrasana amin’ny rehetra amin’ny fifidianana hatao ny 9 Novambra 2023 ho avy izao. Nisongadina tamin’izany fa vonona ny Faritanin’i Toamasina teo aloha, hamerina azy ho eo amin’ny fitondrana indray, noho ny traikefa efa ananany amin’ny fitantanam-pirenena.