Filoha Rajoelina – Fahafaham-baraka lava no iainan’ny fitondrany

Andry Tsiavalona

Tsy afaka miara-dàlana velively ny “fahafaham-baraka” sy ny “fahazoana amboara” kanefa dia samy isaloran’ny fitondrana Rajoelina Andry Nirina avokoa. Nisaloran’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara faha-4 andiany faha-2 izao ny amboaran’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo kanefa tsy ny any Atsimo ihany intsony no manjaka ny kere, fa efa miha-mahazo laka aty amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy izany loza izany. Koa toa inona ny haben’ny mason-tsivana nahafahan’ny fikambanana nanolotra ity amboara ity ho an-dRajoelina Andry Nirina? Tsy vitan’izay fa natolotra azy ihany koa ny amboaran’ny fanorenana fotodrafitrasa, eo amin’ny sehatra inona ary aiza daholo no nisy nitsangana?

Satria ve nametraka ny vato fehizoron’ny Làlampirenena faha-5 bis mampitohy an’i Ambilobe sy Vohemara sy ny ampahan’ny Làlampirenena faha-13, ary nitokana ny Rocade d’Iarivo Rajoelina Andry Nirina dia notolorana izany. Tsiahivina fa efa tetikasa efa nahazoana famatsiam-bola tamin’ny fitondran-dRajaonarimampianina Hery izany, fa efa toetra raiki- tapisaka amin’ity fitondrana ity ny misoloky ho mahavita izao sy izao. Tsy mila resahina fa iainan’ny Malagasy manerana ny Nosy ny fahapotehan’ny Làlampirenena rehetra sy ny an-tanàn-dehibe. Herinandro vitsy izao vao nanao fanambarana ny filankevitry ny minisitra, fa hanamboatra ny Làlampirenena sy ny làlana potika an-tanàn-dehibe ny fitondrana, ka tsy ny sarety ve izany no lasa eo alohan’ny omby? Efa hifarana ny fepotoana hitondran-dRajoelina Andry Nirina vao ihazakazahana ny tetikasa “teleferika” hanamaivanana ny fitohanana eto an-drenivohitra, hono. Ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika hanorenana tanàna vaovao aza tsy misy mandeha amin’izay laoniny toy ny Tanamasoandro, ka tsy mety mamiratra eny Imerintsiatosika ilay masoandro hatramin’izao ary terena ny Trano Fandraisam-bahiny hanome efitrano ho an’ireo athleta vahiny hiatrika ny Lalaon’ny Nosy hanomboka afaka herinandro. Ny fotodrafitrasa tena nampitodika ny mason’izao tontolo izao taty Madagasikara dia ny fitokanana ny fampiadiana akoholahy tany Antsiranana. Nalaza ihany koa ny trano mijoalajoala nitorombona toy ny lapa naorina teo ambony fasika tany Morondava. Tsy mendrika nanolorana amboara ho an-dRajoelina Andry Nirina ireo tranga ireo, satria fahafahambaraka no tambin’izany. Nomena mari-pakasitrahana ny minisitry Toekarena sy ny Vola noho ny fahaiza-mitantana, hono, kanefa na dia ny Tetibola Nasiam-panitsiana (LFR) aza tsy vitany ny nandrafitra izany. Iaraha-mahalala anefa fa iankinan’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena izany, satria fantatra fa na ny fitaovana entina miasa any amin’ny departemanta isantokony any aza dia tsy misy ary ny tena zava-doza dia ny tsy fahampian’ny vola entina manao ny fifidianana, ka mivelona amin’ny hataka toy ny fanaony hatrany ny fitondrana.

Tsy eo amin’ireo sehatra ireo ihany no maha afabaraka izao fitondrana izao, fa nanararaotra ny zava-nisy ny teo anivon’ny governemanta ary tsiahivina amin’ny raharaha “bonbon sucettes” (minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena) sy ny “écrans plats” (minisiteran’ny Atitany) tamin’ny fandalovan’ny valanaretina “covid 19”. Tsy nisy tohiny ireny raharaha ireny, fa nesorina tamin’ny toerany fotsiny ireo minisitra kanefa dia fanodinkodinana volam-bahoaka izay mendrika hanomezana sazy henjana. Tsy teo anivon’ny governemanta ihany no nisy ny fahafahambaraka, fa nitrangan’izany koa ny teo anivon’ny Antenimierampirenena izay nahatratrarana depiote iray nampitrandraka sy nampitatitra hazo sarobidy kanefa dia ny filohan’ity Andrimpanjakana ity mihitsy no niteny hoe “izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy”. Midika izany fa na ny filoha’ny Antenimierampirenena aza izany dia efa nanao fahotana mifandraika amin’izany. Ao amin’ny fahefana mpanao lalàna no misy ity depiote ity kanefa dia nilaza izy, fa tsy mahalala fa misy eto Madagasikara ny lalàna mandrara ny fitrandrahana sy fitaterana hazo sarobidy.

Fahafaham-baraka tsy roa aman-tany no nitranga tamin’ny faran’ny herinandro teo ka ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Repoblika mihitsy no voasambotra sy nampidirina am-ponja vonjimaika, any an-drenivohitr’i Angletera, satria voampanga ho nanao kolikoly. Nesorina teo amin’ny toerana maha talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Repoblika izy fa tsy nanaja ny Soatoavina Malagasy. Araka ny vaovao dia niaraka tamin’ny filohan’ny Repoblika tany Rwanda izy no nihazo an’i Londres, ary hiala sasatra, hono, no nolazainy fa handehanany. Marary sy lazoan’ny aretina avokoa ny eo anivon’ny fahefana rehetra misy eto amin’ny Firenena ka heverina fa hanao ny aroriaka mba tsy hifindran’ny aretina ary hitady ny fomba hitsaboana ity Firenena ity ny Malagasy amin’ny fifidianana amin’ity taona ity eto amintsika.