Fihaonambe nasionalin’ny FFKM – Hisy fihaonana amin’ireo mpitondra teo aloha sy ny amin’izao

Isambilo

Hikarakara Fihaonambe nasionaly ny FFKM, na Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara ny 29, 30 ary 31 Aogositra ho avy izao, izany dia ho tanterahina eny amin’ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy, Antananarivo Atsimondrano ny 29, 30 ary 31 Aogositra 2023 ho avy izao. Dingana fahatelo amin’ny fihaonana karakarain’ny FFKM io, taorian’ny natao teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano ny 29, 30 ary 31 martsa 2023 lasa teo, sy tany amin’ireo Faritany FFKM 38, araka ny foto-kevitra hoe: Fiangonana manorina sy mamboly eto amin’ny firenena, raha ny tatitra nataon’ny Filohan’ny FJKM, sady filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi.

Hanokana fotoana hihaonana amin’ireo antoko politika, sendika, fiarahamonim-pirenena, fiangonana ary fikambanana samihafa ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM ny tolakandron’ny talata 29 Aogositra 2023.

Noraisina hatramin’ny 17 aogositra 2023 tamin’ny 5 ora hariva teny amin’ny foiben’ny FFKM teny Anjohy, na tamin’ny mailaka na SMS tamin’ny 0381731701-0324097168 ny fisoratana anarana ho an’ireo haniry handray anjara amin’izany, hoy ny fanazavana. Handray anjara amin’izany fihaonambe nasionalin’ny FFKM izany ireo avy amin’ny Faritany 38 ny FFKM, sy ireo avy amin’ny sampan-asa miisa 8 ao amin’ity fiombonambe ity.

Fantatra ihany koa fa hisy ny fihaonana amin’ireo mpitondra teo aloha sy ny amin’izao, amin’izao fihaonambe nasionalin’ny FFKM izao, dia fihaonana eo amin’ireo nitondra teo aloha teto amintsika: ny filoha Norbert Lala Ratsirahonana, ny filoha Marc Ravalomanana, ny filoha Hery Rajaonarimampianina; sy ny mpitondra amin’izao ahitana ny filoha Andry Rajoelina, ny filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa, ny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa, ny Praiministra Ntsay Christian, ny filohan’ny HCC Florent Rakotoarisoa ary ny filohan’ny Ceni Dama Andrianarisedo. Hitodika eny Mandrimena Atsimondrano arak’izany ny mason’ny rehetra ato ho ato.