RY TSY MAHAZAKA DONA !

Marary ny fon-dry tsy mahazaka dona,
Mahita mpanohitra miara-mirona,
Ka miala any indray ny karazana fingana
Ataon’ireo foza efa ho lany tamingana!

Milatsaka indray ireo karazana didy,
Ary asaina miteny ireo olom-boavidy.
Ny zava-dazainy dia mahatorovana,
Fa tena fiarovana ny tsy azo arovana!

Fanampin’izay dia nalaina daholo
Ireo kary rehetra sy ny vorondolo,
Mba tena hanao izay rehetra hamongorana
Ireo « kaonty » ngeza sy tena atahorana!

Marary ny fon-dry tsy mahazaka dona
F’indreo efa ho lasa any anaty honahona,
Ka ny heviny farany dia ny haminganana
Ireo izay hahery amin’ny fifidianana!

…Ny olony mantsy efa tsy avotra intsony
Na miezaka hiaro ary ireo eny ambony,
Ka dia atahorana indray ny sakoroka
Fa toa mbola hamahatra ny efa mavoroka!

TSIMIMALO (11-08-23)