IREO ANTSOINA HOE MPANDRESY

Menatra aho raha hitanisa sy hampidera ny fananako
Ary koa hamisavisa ireo harena am-pelatanako,
Nefa manodidina ahy dia be ireo matin’ny hanoanana,
Very saina sy fanahy fa tsisy mba manolo-tanana!

Menatra aho raha hitanisa ny orinasa izay tantanako
Ka mihevitra fa paradisa no efa toerana hivantanako,
Nefa maro iretsy gasy no mitanatana vava,
Tsinjoko mangasihasy f’efa mandry fotsy lava!

Diso be ny fiheverako f’efa ahy ny fiadanana.
Tsy ny harena na ny toerako no hamaritana ahy ho mpanana,
Fa ny fanokafan-tanana sy fiezahana hizara,
Ireo no mari-piadanana raha faritana sy ambara!

…Tsy ‘reo miseho fa hoe maranitra, mampidera ny fananany
No toloran’Andriamanitra izany tena fiadanany,
Fa ireo izay tia mizara, mahafoy, azo itarainana,
Ireo no hisalotra ny amboaran’ ny mpandresy eo amin’ny fiainana!

DADAN’i RIANA (15-08-23)