ANTANANARIVO SY NY LALAON’NY NOSY

Izao no atao hoe renivohitra handraisana an’ireo lalao?
Tena mahamenatra olona saingy dia « akory atao »,
Fa efa sendra izay mpitarika sy mpitantana tanàna,
Donto saingy faly fotsiny fa nahazo fahefana!

Irony fakobe miavosa no heverina ho ravaka,
Miampy ny arabe maloto sady feno lavadavaka?
Ireny no entina hitsenana ireo vahiny handray anjara,
Sy hanehoana f’efa ho rambony ilay Madagasikara?

Efa tena lany henatra ny ao anaty fitondrana,
Tsy hainy intsony ny mivondrona mba hanao fanatsarana.
Tsy hainy ny mba mampamiratra ny tontolo izay jerena,
Ary koa ny fanandratana ny voninahi-pirenena!

Ato ho ato dia heverina hisy « naoty » indray angamba
Handrarana ireo vahiny tsy ho eny Isotry, Andavamamba.
Fa dia ho eo Analakely, Ambohijatovo irery ihany,
Ireo no toerana azo aleha ho an’ireo mpizaha tany!

…Ho avy ny lalaon’ny nosy saingy raha ny fanomanana
Dia kitoatoa daholo, tsisy fahatomombanana!
Ny mpandihy hanoka-tsehatra, mbola ny sinoa indray!
Ny filoha koa dia tsy gasy f’efa niofo ho frantsay!

Izany no lalaon’ny nosy anisan’ny mba nandrandraina,
Kanjo tena mahakivy sady maha tonga saina!
Aleo ihany tsy nandray raha toy izao no fanomanana.
Tsaboy ny aretinao mpitondra: tsy inona fa ny HAVENDRANANA!

TSIMIMALO (09-08-23)