Raharaham-pirenena – Manodinkodina resaka sisa ataon-dry Rajoelina

Beharo

Manodinkodin-dresaka sisa ny ataon-dry Rajoelina sy ny ekipany, raha ny fanadihadiana nataon’ ny mpanao gazety. Hita sy tsapa fa karazana fampielezan-kevitra atao amin’ny vahoaka ihany ny fizaram-bary “Vary tsinjo” natao hatrizay ireny, miampy ny fitsenana ny afo olympika ataony koa, hoy ireo rehetra izay nanonta-niana tany amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny, ary fandresen-dahatra ataony ihany ny fanokafana ny fitaterana ny zotra an-da-lamby izay mihazo an’i Soarano sy Ambohimanambola iny, ka hoe hanaovana andrana nefa mbola tsy raikitra aloha hatreto.

Samy nilaza ny rehetra, fa naninona raha mba tamin’ny taon-dasa na taloha kelin’izay no nanaovana io mikasika ny fitaterana an-dalamby io, na nampiarahana tamin’ny fanokafana ny lalamby mampitohy an’i Moramanga sy Toamasina ary Fianarantsoa-Manakara (FCE) ireny ihany koa, fa dia niandrasana izao fotoana mifanakaiky amin’ny pro-pagandy izao ihany koa, ka mahatonga ny rehetra hilaza fa “Tetik’ady, paika politika”, fitaka atao amin’ ny mpiara-monina ihany ireny, mba hifidianana azy amin’ny 9 novambra, nefa tsy ho voafitak’izany fanodinkodinan-dresaka izany intsony ny maro raha ny fanehoan-kevitra ihany.

Maro koa ny olona nilaza fa tsy rototra amin’ny fanokanana tian-katao amin’ ny teleferika izay kasaina hatao amin’ny fiandohan’ ny lalaon’ny Nosy. Laza ratsy no mahazo ny nosintsika hoy ireo tantsaha nanontaniana, nefa ho sendra ireo vahiny mpitsidika ihany koa ka hitombo ihany ny fahafaham-baraka.