Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina – Tsy mirotsaka ho filohampirenena no mety amin-dRajoelina

Franck Razakambelo

Mampilamina ny tany sy ny fanjakana ny tsy filatsahan’i Andry Rajoelina, ho kandida mandritra ny fifidianana filoham-pirenena, izay hotanterahina ny 09 Novambra 2023 ho avy izao, hoy Andriamatoa Ramparaoelina Rado, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika voafidy tamin’ny lisitry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Nanohy fanazavana ity olom-boafidy ity, fa mirona mankany amin’ny tsy fanekena ny filoha am-perin’asa hanao kandida ho filoham-pirenena ny fanehoan-kevitra ataon’ny olom-pirenen, taorian’ny trangana kolikoly nisamborana ny Tale kabinetran’ny fiadidian’ny Repoblika niseho tany “Angleterre“ ny herinandro lasa teo. Nanamafy Andriamatoa Ramparaoelina Rado, fa manomboka tsy resy lahatra amin’ny firotsahan’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny hery velona nohon’ny fananan’ny filoha amperin’asa ny zom-pirenena Frantsay ihany koa, sy ny tsy fahombiazan’ity farany eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Vokatr’izany hotsarain’ny vahoaka amin’ny alalan’ny lasa-bato mandritra ny fifidianana ny filoha amperin’asa, raha mbola miziriziry hanao kandida ho filoham-pirenena. Nanamafy ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, fa tsara toerana ny filoham-pirenena raha mivoaka amin’ny varavarana malalaka, ka manapa-kevitra tsy handray anjara amin’ny fifidianana intsony ary tsy ny fahatahoran’ny vondrona mpanohitra an’i Andry Rajoelina no antony itenenany an’izany, fa ho fiarovana azy amin’ny mety ho trangan-javatra hiseho aorian’ny 09 Septambra 2023 ho avy izao.

Nilaza ity olom-boafidy ity, fa mbola sarotra ny maminavina ny zavatra hiseho aorian’ny 09 Septambra 2023, satria tsy voafehin’ny hery velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, fa tsy maintsy iarahana misalahy miaraka amin’ireo mpiara miombon’antoka sy ny mpamatsy vola vahiny, ka tsaratsara kokoa ny fisintahan’ny filoham-pirenena ankehitriny aorian’ny fahataperan’ny fotoam-piasany, mba hisian’ny fandriampahalemana amin’ny fiatrehana ny zotram-pifidianana.