NY DIAN’NY FILOHA

Hifarana ihany ny dian-dRajoelina
Saingy tsy nisy tapiam-piovana,
Fa tena nihitsoka anaty tonelina
Ilay lamasinin’ny fanantenana!

Vahoaka mandady, mitrongy vao homana,
No hita sy re ny fidradradradràny.
Hanova no antony mba nitolomana,
Nefa vao mainka milentika hatrany!

Fampanantenana sy toky miavosa
No nenti-nandrobo sy nirehareha,
Saingy indrisy fa tena tsy nety nisosa
Ilay hoe lamasinina haingam-pandeha!

Efa maro dia maro ireo niala an-daharana,
Be no nanidina nifindra lasy.
Tsy misy mba tazana izay fivoarana,
Mainka milentika ramalagasy!

…Ka asa raha hisy indray ny famaharana
Hataony sy mbola hoketrehin’ny olony,
Fa raha ny marina, efa hifarana
Ny amin-dRajoelina sy ny bontolony!

DADAN’i RIANA (09-08-23)