HANENO TSY HO ELA NY TROMPETRA

Aleo hiandry am-pitoniana ny fanenon’ny trompetra,
Izay no tena mety indrindra ka dia mahereza hatrany.
Aleo hamarana ny diany ireo mpibizina voretra,
F’efa manga lo ireo, tsy maintsy hitontona amin’ny tany!

N’inona n’inona hataony, na dia mbola hizara vary,
Na hizara vola koa mba hahatsara indray ny sariny,
Raiso, hano ry vahoaka, asehoy miharihary,
Tena tsy azy akory ireny fa harena nangalariny!

Na dia mbola hitety faritra ka hamorom-pikafika,
Na hamafy lainga indray sy mbola tena hampiaka-peo,
Izao ihany no azo ambara: tena mihamahantra isika
Noho ny zavatra nataon’ireo jiolahy mpandroba ireo!

Aleo hiandry am-pitoniana ny fanenon’ny trompetra,
Izay no tena mety indrindra ry vahoaka izay nofaizina,
Aoka havondrona ny hery f’efa antomotra ny fetra
Hialan’ ireo jiolahy izay nampandeha an-tany maizina!

Madagasikara sambatra tsisy foza maimbo intsony,
Izay no ataovy tarigetra sy hirao andro aman’alina,
Ka mba gasy tena gasy no hipetraka eny ambony
Sy hanala ny vahoaka anaty fahantrana lalina!

TSIMIMALO (18-08-23)