Bakalorea Antananarivo – Nitohy nitaky ny tambin-karamany ireo mpitsara fanadinana

Stefa

Nitohy nitaky ny tambin-karamany ireo mpampianatra mpitsara fanadinana bakalorea eto Antananarivo omaly, teny Ankatso. Omeo ny volanay hoy izy ireo, niaraka nirohotra teny amin’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo ireo mpampianatra nangataka fanazavana, omaly maraina. Ireo solontena isaky ny taranja no niara-nidinika tamin’ny filohan’ny Oniversite tamin’izany.

Ny avy amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no naneho fa rehefa vita ny asa na “service fait” ny bakalorea, ka rehefa vita ny asa vao mandeha ny dingana fandoavam-bola. Ho an’ny 2021 sy 2022 dia voalaza fa efa nalefa tany amin’ny Oniversite izany. Andrasana ny tohin’ny raharaha, ary andrasana amin’izao faran’ny herinandro izao ny hivoahan’ny valin’ny fanadinana bacc ho an’Antananarivo. Mitohy ihany ny tsy fandoavan’ny fitondrana Rajoelina ny volan’olona, miantraika any amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny anefa izany.

Ho hitantsika eo ihany ny ho tohiny, fa misavoritaka tanteraka ny tontolon’ny fampianarna eto amintsika ankehitriny, noho tsy fahaizan-dry Rajoelina sy ny ekipany mitantana.