EDITO 19 Aogositra – Miala Rajoelina. J- 21 – Tsy vonona velively itondra ny firenena amin’ny lalan’ny fahamarinana

Sôh’son

Ho aiza no hiafaràn’ity firenena ity? Mampanahy tanteraka ny hoaviny manoloana ny fihetsika ataon’izao fitondrana Rajoelina izao. Na eo aza ny fanamarihana, ny fitsikerana sy fanakianana ny tsy mety ataony volana vitsy mialoha izay nambara fa hanatanterahana fifidianana, dia hita sy re fa tsy mihaino, tsy mandray an’izany ary tsy manova ny fihetsiny izy. Anisan’izany, ohatra, ny fizarana fitaovana amin’ny toerana samihafa ho an’ireo tomponandraikitra samihafa, na fokontany na kaomina, na distrika.

Tsy misy adihevitra izany, fa fampielezan-kevitra ankolaka na fanerena ankolaka tsotra izao atao amin’ireny olona nomena fitaovana ireny. Naninona tsy tamin’ny fotoana fiandohan’ny nandraisana fahefana ho an’ny mpitondra sy ho an’ireto olona ireto no tsy natao ny toy izany, fa izao efa antomotra izao, no tsy maintsy hametraham-pialàna eo amin’ny fitondrana vao mikoropaka amin’izany? Tsy bado daholo akory ny Malagasy ka tsy hahatakatra izany fihetsika miharo politika maloto izany. Politika maloto tanteraka izao zava-misy izao, ary tsy vonona velively izao fitondrana izao hitondra ny firenena hizotra ho amin’ny lalan’ny fahamarinana.

Mazava loatra, fa hisy fiantraikany hatrany amin’ny fifidianana sy ny ho voka-pifidianana izao zava-misy izao. Tsy hahasoa ny firenena sy ny taranaka fara aman-dimby velively anefa izany fihetsika izany. Tsy amin’ny fomba tsy ara-dalàna na mamohehitra no hakàna fahefana sy fitondrana. Ny firenena tsy hoentina amin’ny fahamarinana dia tsy ho soa velively ary tsy hisandratra mihitsy, fa hihodinkodina fotsiny sy handrorona ny fampandrosoana rehetra atao. Toy izay efa niseho tato anatin’ny dimy taona lasa izao. Tsy hiova ny fari-piainan’ny sarambabem-bahoaka, fa toy izao hatrany, raha mbola tsy miova ny fomba fiasa sy ny olona hitondra ny firenena eto. Mitaky fanapahan-kevitra hentitra avy amin’ny olom-pirenena vanona izany, ary mitaky fanovàna lalina ihany koa ny zava-misy eto amin’ity firenena ity. Ampy izay fotoana lava namitahana ny vahoaka sy nanaovana azy ho toy ny zaza na bado izay. Tsy azo ekena ny hamelana ny firenena ho potehin’ny olom-bitsy.