MPANAO AFERA MIANAKAVY

Mpanao afera mianakavy no ao anaty fitondrana.
Efa hifarana ny dia, mitohy anefa ny hadalana.
Tena re nanakoako ireo aferam-bolamena,
Saingy hatreto tsisy tohiny ka dia mampanongo tena!

Tamin’ny herinandro izao dia heno indray fa hoe voatana
Ny olobe anankiray izay ao anaty fitondrana.
Toa fanaovan-drisoriso, kolikoly indray no nisy,
Ireny anefa tena sehatra tsy andeferan’ny anglisy!

Ny tsy fantany dia hoe hatretsy Ivato ihany anie
No hahafahany manao ireo hagegena marobe,
Fa ny any Eoropa sy Amerika, tsy voavidiny intsony,
Sady tsy azony baikoina mba hanao ny sitrapony!

…Asa indray izay mbola ho tohiny f’efa ho tapitra ny lera.
Hikombona amin’izay ny vava sa dia mbola hihoerahoera?
Raha ny fofona miely, tena maimbo sy masiso
Saingy toa tsy mety tapitra ny fanaovan-drisoriso!

Mpanao afera mianakavy no ao anaty fitondrana.
Tena hainy ny mandeha ery ambonin’ny lalàna.
Saingy kosa misy fetra izany fomba ratsy izany,
Fa tsy ho ela dia hifarana ny hagegeny sy hadalany!

DADAN’i ZINA (14-08-23)