Federasiona Dabarà – Tafapetraka ireo mpitantana vaovao

Rajepa

Ny talata 15 aogositra no vita ny fifidianana izay hitantanana ny lakandranon’i Dabarà, tao amin’ny trano malalaky ny kaominina am-banivohitra Analaiva faritra Menabe, izay notronon’ireo solontenam-panajakana, notarihan’ny Préfét an’i Morondava, niaraka tamin’ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana.

Nilamina ny fiidianana na dia nisy nangataka ny fanemorana aza, tsy nisy ny lisi-pifidianana vita nialoha, fa ny fanamarinam-pahatongavana no natao lisi-pifidianana, nefa raha ny volazan’ny statut dia olona solontena 33 isaky ny zone 4 izay mandrafitra ny federation no mifidy, saingy tsy izay no nisy fa dia izay zone tonga tao no nanolotra olona 33 ka tsy nisy tonga ny avy amin’ny zone Delta, fa nilaza fa tsy naheno ka dia nangataka famerenana ny solontenan’izy ireo, saingy tsy nahazo valiny mahafa-po, ka lany nandritra ny fifidianana hitantana an’i Dabarà Andriamatoa Bia Velson ary Randriamanampisoa André no filoha lefitra.

Nilaza moa ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana fa vita ny fifidianana, ka manomboka eto dia tomponan’andraikitra feno izy ireo, fa tantsoroka sisa no ataon’ny fanjakana, ka hisy ny fampiofanana ireo biraon’ny federation, mba hahay ny tokony hataony mba tsy hisian’ny olana teo aloha, eo koa anefa ny fanaraha-maso ataon’ny fanjakana. Nilaza moa ny filoha vaovao izay hitantana ny tambazotra Dabarà ity fa tsy mora ny fitantanana an’i Dabarà fa mila manaja rafitra izay mipetraka ny mpamboly amin’ny fizarana rano, ka hisy koa ny ezaka ataon’ny federation amin’ny fambolena hazo izay hiarovana ny vavarano tsy ho tototra ary ho fisintonana orana, satria tsy ampy zaraina intsony ny rano misy ankehitriny.

Velaran-tany mirefy 12.000 Ha no tondrahan’ity vavarano ity, izay misedra olana sy hatao fitaovana polotika isaky ny fifidianana hoe amboarina i Dabarà nefa hatramin’izao dia tsy mety vita fa dia ny mpamboly no lasa miady rano lava. Ho avy indray izao ny fifidianana dia hoe hamboarina indray i Dabarà nefa hatramin’izay tsy hita hoe aiza ny fanamboarana ny asa vonjy maika natao farany teo dia toa fandaniam-bolam-panjakana fotsiny, fa tsy hita izay vokany ka asa rahoviana vao ho vita ity lakan-drano izay manondraka ny sompitry ny fambolena ato Menabe ity.