Lalaon’ny Nosy – Ho main’ny afo Olympika ny 6èm Dan

Ny Valosoa

Ny sabotsy 12 Aogositra 2023 no nigadona tao Antsiranana ny afo olympika, tonga tany antoerana nitsena izany Ingahy Filoha Rajoelina, izy rahateo moa no anisan’ny athleta malaza eto amin’ny tanàna, satria tsy ela akory izay vao nampiakarina tamin’ny laharana “ Tepany mainty, 6 èm Dan “ teo amin’ny taranja Karate Do izy, izay marihina fa tsy niatrika ady akory izy tamin’izany, fa nanao itony antsoina hoe “Kata”itony fotsiny.

Ny tenan’Ingahy Filoha sy i Sidonie Fiadanantsoa, ilay nahazo ny medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 100 metatra misy fefy, tamin’ny “lalaon’ny frankofonia” tany Kinshasha, no niaraka nandrehitra ny afo olympika, ireo athleta samy sangany e.

Nanambara Ingahy Filoha fa matoa tonga eto Madagasikara hoy izy ny afo olympika dia midika izany, fa raikitra ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, isika malagasy no mpampiantrano, ho entina mitety ireo renivohiparitany ny afo ka ny Alakamisy 23 Aogositra no ho tonga eto Antananarivo ny afo, nohamafisin’Ingahy Filoha sady 6 èm Dan, fa ny afo mirehitra dia mitory firaisankina sy fandresena ho antsika malagasy.

Ankoatran’izay, nambaran’Ingahy Filoha fa mbola misy heviny maro ny afo olympika, izay tsy tokony ho hadinoina fa ny lalaon’ny nosy dia azo sokajiana ho lalao olympikam-paritra, ka ny afo olympika dia manambara fa lalao madio tsy misy fitsarana miangatra, fa manaraka ny fitsipi-dalao nifanarahana no hatao eto, mitovy zo ny mpifaninana rehetra ary tanterahina ao anatin’ny fifanajana sy ny fifankatiavana ary ny fahamarinana ny lalao manontolo.

Ny Alakamisy 23 Aogositra 2023 hahatongavan’ny afo olympika eto Antananarivo, no misokatra ny fametrahana ny filatsahan-kofidina amin’ny fifidianana izay ho filohampirenena mandritra ny dimy taona ho avy.

Koa antenaina fa hahazo lesona amin’ny hevitry ny afo olympika Ingahy Filoha 6 èm Dan, ka hanomboka izao dia hanjaka amin’ny fifidianana ny fahamarinana, tsy hitanila na hanao mpitsara miangatra toy ny tamin’ny dimy taona lasa ny “ Ceni” sy ny “Hcc”, halalaka toy ny amin’ny lalaon’nosy ka tsy hisy intsony ny sakantsakana eo amin’ny famoriambahoaka mihàtra amin’izay kandida atahoran’ny mpitondra ankehitriny, ka ny olompirenena dia afaka hihoby amin-kahalalahana izay ankasitrahany toy ny amin’ny lalaon’ny nosy.

Raha dinihina maimaika dia mahakely finoana ihany raha Ingahy Filoha no hiala amin’ny fomba nahazatra azy sy efa nahombiazany, ary azo lazaina hoe sarotra ny hanantena fa hanaja ny hevitry ny afo olympika Ingahy 6 èm Dan, satria ny lalampanorenana izay izy no nampifidy azy aza, hitsakitsahany arak’izay mahadiavolana ny fony.

Fa manampetra koa ny fizahozahoana sy ny fireharehana, satria na ireo mpitandro filaminana sasantsasany izay miaro anjambany an’Ingahy Filoha Rajoelina sy ireo mpitsara vitsivitsy minia mikimpy amin’ny fanafenana ny tena marina aza dia azo eritreretina ho tonga saina amin’izay, ka hahay haka lesona amin’ny hevitry ny afo olympika.

Afaka 23 andro raha mbola hilatsaka Ingahy Filoha 6 èm Dan dia tsy maintsy hametra-pialana izy, satria tsy maintsy hitady hirika ny “Hcc” hankatoa ny firotsahany na dia efa vazaha aza izy, ka raha mbola tsy hiova fa hikiribiby amin’ny didy jadona nahazatra azy hatramin’izay Ingahy Filoha 6 èm Dan, dia ho may ny afo olympika natsangany tany Antsiranana.