Andro iraisam-pirenen’ny tanora. Morondava – Tsy noraharahian’ny governemanta ireo tanora 2000 mahery

Rajepa

Efa mibaribary tsy takona hafenina intsony izao ny zava-misy ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian, fa mitsitokotoko sy samy maka ho azy ireo minisitra satria dia efa haseho eny ankianja fa dia tsy ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka mihintsy no manahirana ity fitondrana ity, fa dia ny fampahafantarana ny antoko sy ny kajikajy politika hahazoana toerana no betsaka, satria toy ny tranga nisy tany Morondava faritra Menaba tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny dia minisitra roa be izao no nandalo tao Morondava nandritran’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momban’ny tanora, saingy na dia ny minisitry ny tanora sy ny fanantanjahantena aza tsy nanatrika izany, fa mbola sempotra amin’ny olan’ny lalaon’ny nosy, fa dia nahagaga sy nampalahelo ireo tanora dia tsy mba nanatrika na dia nitsidika ireo mpizaika akory ireo minisitra roa tonga tany an-toerana izay nanolotra fitaovana ny TVM sy RNM Morondava ARY nitokana ny tsangambaton’ny mpanakanto Bivy, fa naleony nandeha nitsangatsangana tany amin’ny allée de baobab, tsy iza izany fa Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy minisitry ny serasera sy kolontsaina sady mpitondra tenin’ny gouvernement, izay notronin’Andriamatoa RAMONJAVELO Valéry, Minisitry ny fitateranana.

Tamin’ny hetsika rehetra nataony taty Morondava; lazaina fa homena sehatra ny tanora nefa dia atao tsinontsinona toy izao; ny filan-kevitry ny minisitra no nanapaka fa any Morondava no atao ny fankalazana iny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora teto Madagasikara iny! Dia tsy mba misy fandaminana ve ny teo anivon’ny governemanta? Sa tsy misy hidiran’ny serasera sy kolontsaina ny tanora? alahelo ny an’ireo tanora roa arivo mahery tonga niatrika ny fankalazana tao Morondava, fa dia adinon’ny fitondrana sy atao tsinontsinona ireo tanora eny fa na dia ny fikarakarana ary dia tsy nisy tomombana ny trano. Mbola anatin’ny fanamboarana no nanaovana ny fampiofanana ary tsy naparitaka mialoha ireo lohahevitra hampiofaninana, ka tsy manan-tsafidy ireo tanora fa nozaraina mba hameno ireo efitrano telo izay nanaovana ny fampiofanana na dia izany dia vita ihany ny fankalazana na dia somary nijaly ireo tanora raha nahavita fialan-tsasatra kosa ireo ekipan’ny minisitera, satria dia hita fa dia ny vady aman-janak’izy ireo no nameno ireo fiaram-panjakana hamitana iraka hikarakara ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenen’ny tanora 2023 iny.

Teo koa ny fanaovana tsinontsinona ireo mpanao gazety na ny teo an-toerana na ireo nentina avy any Antananarivo, satria dia tsy nisy fampiantsoana ireo mpanao gazety tao Morondava na dia fampahafantarana ny fandaharam-potoana aza tsy azon’ireo mpanao gazety; ireo mpanao gazety avy any Antananarivo indray dia nalefa taxi- brousse satria ny fiaran’ny ministera feno ireo vady aman-janak’ireo mpiasa hamita iraka, hany ka tsy nahatratra ny fotoanan’ny fankalazana izy ireo ary mbola sahirana koa tamin’ny fitadiavana ny trano handraisana azy ireo, satria tsy nisy nanomana izany. Ny asa tsy vita ny trano natoriana tsy nisy, ny fiara hodiana koa mbola nanahirana azy ireo, satria tsy maintsy handeha taxi-brousse indray, nefa ny andro efa alina dia tsy hay hoe nanahoana ny niafarany fa tena nampalahelo! Tranga mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona no nisy satria tao anatin’ny lanonana fankalazana andro isaim-pirenena hatramin’izay, ny hoe mitsangana ireo solon-tenampanajakana dia miara-miala eo amin’ny toerana misy azy, fa handeha hitsena ny minisitra ka navela teo ireo tanora izay niandry fa hoe hisy minisitra hitafa amin’izy ireo, kay moa Minisitra tsy mahalala ny fisian’ireo tanora an’arivony akory, fa tena tsy nasiany maso akory ireto tanora nefa araky ny fanadihadiana dia efa nahazo fanasana ity minisitry ny serasera ity rehefa fantatra herinandro mialoha fa hoavy any Morondava amin’ny fotoana hanaovana ny fankalazana.

Tsy sahy nifanatrika tamin’ny mpanao gazety koa ireto minisitra roa ireto na dia niandry fatratra aza ireo mpanao gazety ato Morondava, izay efa herinandro mialoha no efa nampahafantarin’ny talem-paritry ny serasera sy kolontsaina, fa ho avy ramatoa minisitra ary efa nangataka fotoana ny hitafa tamin’ny minisitra ny mpanao gaety, ka halamina ny fotoana hoy ny talem-paritra, saingy indrisy fa vao vita izay nataony dia iny izy no tsy hita!