Fakon’Antananarivo – Toa atao fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana

Lalasoa Razafindrakoto

Hafa kely ireo mpanao politika Malagasy eto amintsika rey Olona a! Raha toa ka ny fikatsahana izay hampandroso ny firenena sy ny hampiadam-pinaritra ireo Vahoaka monina ao aminy no tanjon’ny fanaovana politika ho an’ny firenena hafa dia ny mifanohitra amin’izany ny an’ireo mpanao politika teratany malagasy. Ny hameno ny paosiny hatrany, ny hamita-bahoaka tsy misy fiafarany, ny hampanentana volana aman-kintana tsy ho azo ary ny ronono an-tavy miseho amin’ny endriny marolafy lava izao. Ireo no mibahana ao an-tsain’izy ireo amin’ny fanaovana ny politika. Izao indray tokoa mantsy dia atao fitaovana politika hambaboana ny fon’ireo « Mpifidy » ny fako miavosan’Iarivo. Gaga sy talanjona ny rehetra fa dia ireo « mpanao politika » no milingilingy mandraoka ny ampahany amin’ireo fako. Angaha moa tsy andraikitra sy adidin’ireo eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo no manala ny fako? Ny fanairana sy ny fanerena mihitsy ireo tomponandraikitry ny Kaominina Antananarivo renivohitra, araka izany, no tokony hataon’ireo mpanao politika haingana, fa tsy ny fiantsoana ireo mpisehatra amin’ny haino vakijery isehoana amin’ny vahoaka Malagasy, fa miahy ny fahasahiranam-bahoaka izy ireo. Mihevitra ny Malagasy ho bado sy zaza vao minono mandrakariva ve ianareo mpanao politika malagasy ireto sa efa « jamba » sy « mamba » loatra ny seza, ny fahefana, ny vola ary ny voninahitra koa tsy mahatsiaro tena intsony fa efa tena « mampihomehy » ary mihoatra ny mety ny ataonareo e !

Mila tonga saina Ramalagasy indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, amin’ny fisafidianana izay hitondra ny firenena. Aoka izay ry « mpanao politika » Malagasy ny fampiasana ny fahoriam-bahoaka sy ny fijaliany ho fitaovana fikatsahana fahefana ahafahana mangeja sy mampitondra Zioga mavesatra bebe kokoa indray azy ireo izay efa lanaky ny fahantrana sy ny fahasahiranana lalina vokatry ny fampiasanareo ny « politika » ho fitaovana fitadiavana tombontsoa ho anareo sy ny Akamanareo ary ny fianakavianareo. Raha tena « mpanao politika matihanina » ianareo dia ny hampandroso ny firenena anatin’ny firindrana sy ny filaminana ary ny firaisankina no katsahana sy ampiasana ny fahaizanareo fa tsy ny fanabadoana sy ny fambotriana ny Malagasy, mba hahazoana tombontsoa miavosa ho an’ny tena manokana sy ny fianakaviana ary ireo namana. Andriamanitra tsy andrinareo manko ho andrin’ny vahoaka malagasy hatrany e!

Ankoatry ny fampiasana ny fako ho fitaovana politika dia efa tazana ihany koa ny fizarana vary, ny fampilendalendana ny « Lalaon’ny Nosy » izay ambara ombieny ombieny fa ho raitra sy hamirapiratra tokoa. Tsy ny maha fifaninanana ara-panatanjahatena azy intsony, araka izany, no tazana fa ny fampiasana azy ho « fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ». Mila manaraka akaiky ny raharaham-pirenena isika mianakavy izay ambara fa « Valalabemandry » mba tsy ho viravirain’ireo mpanao politika lava izao ka ho valaky ny sangodim-panina politika tsy misy fiafarany. Ny Vahoaka hatrany tokoa mantsy no ho tompon’ny teny farany raha toa ka mahay mandray andraikitra fa tsy ho mpitazana lava izao fotsiny izay rehetra mitranga eto amin’ny firenena. Saino lalina ny hoavin’ny taranakao ry Malagasy!