EDITO 17 Aogositra – Miala Rajoelina. J- 23 Feno lesoka avokoa ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena

Sôh’son

Zary misy lesoka avokoa ny raharaha ataon’ny fitondrana Rajoelina rehetra tato ho ato. Eo ny fanomanana ny fifidianana izay ahitana lesoka toy ny lisi-pifidianana izay nanomboka tany amin’ny fanisana ny mpifidy isan-tokantrano, ny mpikambana eo anivon’ny Ceni sy ny Hcc, izay tokony hisy fanamboarana araka ny avy amin’ny fanoherana, ny fanaovana mizana tsindrian’ila sy fiangarana toy ny antoko miara-dia amin’ny fitondrana afaka mamory vahoaka eny ankalamanjana izay manao endrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sy ireo antoko mpanohitra voarara tsy hanao izany, sns… Soa ihany fa efa 23 andro: J- 23 sisa no ijanonan’ny filoha Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana dia hametra-pialana izy, raha hirotsaka hofidiana ihany amin’ny fifidianana ny 9 novambra sy ny 20 desambra ho avy izao, raha hisy ny fihodinana faha-2. Minia mikimpy ny fitondrana, ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana manoloana izany, sy ireo fandikan-dalàna maro samihafa ataon’ny fitondrana. Lesoka lehibe avela fotsiny handeha amin’izao izany.

Niaraha-nahita teo ny fizotry ny fanadinam-panjakana bakalôrea izay nahitana lesoka lehibe ihany koa. Tsy rariny ny zava-nihàtra tamin’ireo mpiadina, indrindra tamin’ny fiatrehana ny taranja tantara-jeografia. Zary toa tsy voakitikitika ny minisitry ny fampianarana ambony sy ireo mpiara-miàsa akaiky aminy, nefa izy ireo no tomponandraikitra voalohany amin’ny hahatsara na haharatsy ny fizotry ny fanadinam-panjakana toy ireny. Zary amboamboarina ny fitsarana ny fanadinana bakalôrea teo, ka mametra-panontaniana ihany ny amin’izay ho lanjan’ny diplôma ho azon’izay afa-panadinana. Toa atao kitoatoa ny hoavin’ireo zana-bahoaka. Lesoka lehibe ihany koa iny ary tsy tokony havela handeha fotsiny amin’izao, eny na dia nisy aza ireo nosamborina sy nampidirina am-ponja. Misy amin’ireo anefa no tsy manan-tsiny, fa dia natao anaty kitapo fonosana iray avokoa izy rehetra. Misy koa anefa ireo tsy nokitihina fa navela hangatsiatsiaka amin’izao fotsiny na dia tomponandraikitra voalohany aza. Fiangarana izany ary lesoka lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana.

Iaraha-mahita sy mandre tsara ihany koa izao ny zava-misy sy mitranga eo amin’ny fanomanana ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy sy ny fikarakarana ny athleta malagasy. Misy ny lesoka lehibe eo amin’ny fampiantranoana ity lalao iraisam-pirenena aty amin’ny ranomasimbe Indiana ity na dia misy aza ny fikoropahana amin’ny famitàna ny fotodrafitrasa samihafa, na ihany koa ny fanamboaran-dalana. Amin’ity raharaha farany ity, dia tsikaritra eny amin’ny fiainana andavanandron’ny sarambabem-bahoaka ny tsy firaikan’ny olom-pirenena. Tsy nisy mpitehaka, fa ny nivoaka ny vavan’ny sasany dia hoe fihatsarambelatsihy io, tsy nanao an’io lalana io ve raha tsy nisy ny Lalaon’ny Nosy? Efa ela ihany mantsy izay fotoana nahapotehana sy nahasimban’ny lalana teto an-drenivohitra izay ary saika ny lalambe rehetra no misy avokoa izany fahasimbana izany, hany ka toy izany no fiheveran’ny vahoaka azy. Lesoka lehibe izany rehetra izany. Santionany ihany ireo, fa saiky ny sehatra rehetra dia ahitana izay lesoka izay avokoa ary manamarika ity fitondrana Rajoelina ity izany.