DIA HO AFA-BARAKA VE NY MALAGASY ?

Tonga vahiny angaha vao hofafana
Ireo fako sy loto mameno tanàna?
Tsy misy henatra olona intsony àry ve,
Sa izany no baikon’i Vazahabe?

Dia ahoana ireo lalana ihandronan’ny rano
Sa eny no hitsoboka ireo mpilomano?
Satria efa heno sy iaraha-mahita:
Ny filomanosana mbola tsy vita!

Ny ambotaka koa mampiteny ny moana
Ka be ihany ireo tsy hahavonjy fotoana,
Fa mbola tsy vita ny teleferika
Izay nentina mba hampiesonana antsika!

Ny federasionina, maro no leo,
Ary nisy aza ireo efa nampiaka-peo
Fa aleony mijanona tsy handray anjara
Rehefa tsy miova ireo mpikarakara!

…Dia asa ity lalaon’ny nosy hafakely
Fa raha ny vaovao sy ny feo efa miely
Dia angamba ho afa-baraka ny gasy
Amin’ny ataon-dry vazaha « tsy misy kilasy »!

DADAN’i RIANA (10-08-23)