Politika sy diplaomasia – Nihaona tamin-dRavalo ny Ambasadaoron’i Etazonia

Isambilo

Eo amin’ny sehatry ny politika sy ny diplaomasia, nihaona tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, ny Ambasadaoron’i Etazonia monina sy miasa eto amintsika. Araka ny fanambarana nataon’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara: “nihaona tamin’ny Filoham-pirenena Malagasy tamin’ny taona 2002-2009, sady kandidàn’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana, izay notronin’ny Mpanolontsainany momba ny lalàna Hubert Raharison omaly ny Ambasadaoro amerikana Claire Pierangelo, niresaka ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny fifidianana malalaka sy madio. Ity fihaonana ity dia iray amin’ireo andiana fihaonana ataon’ny Ambasadaoro amin’ny mpisehatra ara-politika eto Madagasikara.”

Arak’izany, santatra ihany izao fihaonan-dRamatoa Ambasadaoro tamin’ny filoha Marc Ravalomanana izao, fa mbola hihaona amin’ireo mpisehatra poltika eto amintsika izy, indrindra ireo kandidà nilaza fa hirotsaka ho filohampirenena amin’ny fifidianana ho avy eto amintsika. Ankoatra izany tsiahivina, ny Amerikana no voalohany nanaiky ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2002, tao aorain’ny krizy poltika nisyt teto amin’ny firenena tamin’izany fotoana izany.