Andry Rajoelina – Ho voadaka hipitika satria tsy mahay mitantam-pirenena

Andry Tsiavalona

Potika ny Firenena ary na amin’ny taona 2060 aza tsy handroso raha mbola Rajoelina Andry Nirina ihany no hitantana an’i Madagasikara. Tsiahivina fa ity filoha (filou) ity no niteny fa raha mbola ireo mpamatsy vola mahazatra ireo no hianteherana dia na amin’io taona voalaza etsy ambony itsy aza dia tsy handroso i Madagasikara ary namafisiny fa izay tsy vitan’ireo Filoham-pirenena na Filoham-panjakana tao anatin’ny enimpolo taona dia ho vitainy ao anatin’ny dimy taona. Ny mifanohitra amin’izany no iainan’ny Malagasy amin’izao fifaranan’ny fitondrany izao, satria miady ny rambony i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny toekarena, ny vahoaka maro an’isa dia miaina ao anatin’ny fahantrana na dia nisy nanome azy amboara amin’ny ady ataony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo aza. Tsy misy asa ho an’ny tanora nahavita fianarana ambony, satria potika daholo ireo ozinina mpanodina vokatra eto amin’ny Firenena (Sumatex, Sotema, Orinasa afaka haba, Secren, Ozinina mpanao siramamy, sns…) na dia nisy nanolotra amboara ho azy amin’ny maha tompondaka azy amin’ny fananganana indostria aza. Nambaran’ny tany ivelany koa fa lohalaharana eo amin’ny fahaiza-mitantanana ny minisitry ny Toekarena sy ny Vola kanefa tsy mitsaha-mitotongana ny sandambola ariary ary efa eo am-pototry ny tsy fahafaha-mamoaka vola (cessation de paiement) izao fitondrana izao. Manampy trotraka izany ny fanapotehan’ny tandapa ny voly fanondrana toy ny lavanila kanefa efa ho fitonjato taonina ny vary hafarana hany, tsy mifandanja intsony ny vola vahiny mivoaka sy miditra (balance commerciale déficitaire) ka banky rompitra ny fitondrana.

Tranga maro no manaporofo izany toy ny tsy fahafahana mandoa ny karaman’ireo orinasa nanao làlana sy ny tambikaraman’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, ny tsy fandoavana ny vatsimpianaran’ny mpianatra eny amin’ny Ambaratonga Ambony. Tsy voaloa ny tambin-karaman’ireo mpiandry fanadinana bakalorea efa tany amin’ny taona 2021. Potika ny Làlampirenena rehetra manerana ny Nosy sy ny làlana an-tanàn-dehibe ka ora maro no lany noho ny fitohanana ateraky ny lavaka etsy sy eroa eto an-drenivohitra. Potika avokoa ny seha-piharian’ny mpanao asa tànana miankina amin’ny herinaratra noho ny fahatapahan-jiro lavareny mandritra ny ora maro manerana ny Nosy. Nanome baiko ny minisitry ny angôvo sy ny akorana’afo ny filohan’ny Repoblika telo herinandro lasa izay hanafoanana ny delestazy nifarana ny alatsinainy teo ny fepotoana kanefa mbola mitohy izany hatramin’ny androany. Ny manahirana anefa dia andro vitsy taorian’io baiko io dia nanambara indray Rajoelina Andry Nirina, fa afaka dimy taona no tena tsy hisy intsony ny delestazy satria efa eo an-dàlam-pananganana ny tohadrano hamokarana herinaratra any Sahofika sy Ivolobe.

Nopotehina ny Orinasam-pitaterana an’habakabaka reharehan’ny firenena, Air Madagascar, satria namidin-dRajoelina Andry Nirina tamin’izy filohan’ny tetezamita ny Boeing nomen’ny Filoha Ravalomanana Marc ny orinasa dia nosoloiny Air Bus izay tranon’akoho amin’izao fotoana izao. Nasolo ny Air Madagascar ny Madagascar Airlines izay efa eo an-dàlam-pahapotehana koa amin’izao fotoana izao. Potehin-dRajoelina Andry Nirina ny fiainan’ny olompirenena izay heveriny sy ny tandapany ho manelingelina azy ary hatahorany mafy ho mpifanandrina manana herijika mety tsy ho azony toherina eo amin’ny sehatra politika. Nangoron-karena teto Madagasikara ny mpanjanaka nandritra ny telo ambienimpolo taona, kanefa fotodrafitrasa maro no nataony (làlamby, fiantsonan’ny fiaran-dàlamby, sns,…) na dia nisy endrika fanandevozana aza ny fanatanterahana izany. Ny frantsay mitantana ny Firenena Malagasy nandritra ny efatra taona kosa dia mangoron-karena ary ny fotodrafitrasa natsangany dia tsy miteraka fampandrosoana ny Firenena sy fampivoarana ho amin’ny tsaratsara kokoa ny fiainan’ny vahoaka.

Arak’izany dia tsy misy azo antenaina amin’izao fitondrana izao satria potika ny toekarena, mahantra ny vahoaka, ka Rajoelina Andry Nirina ihany no niteny fa « ho dakana tahaka ny baolina izay rehetra tsy mahavita azy eo amin’ny fitantanana ny Firenena» ary narahiny fihetsika izany. Izy tenany mihitsy izao no ho voadaka ho aezy hitsingidina 30 andro sisa : J- 30.