Morondava – May noho ny delestazy ny Centre Eco-Touristique Menabe

Rajepa

May noho ny delestazy ny Centre Eco-Touristique Menabe any Morondava. Nitrangana haintrano tao amin’ny fokontany Betela ao amin’ny kaominina Morondava ny alin’ny alatsinainy teo, ka orinasa centre eco-touristique du Menabe no may noho ny delestage. Raha ny fanamarihan’ireo mpiasa, satria tapaka ny jiro tamin’ny dimy ora hariva ary niverina tamin’ny sivy ora alina, saingy tsy marin-toerana ny tanjakan’ny herinaratra, ka niteraka ny loza, izay efa tamin’ny 12ora alina vao hitan’ny mpiasa tao ny afo.

Rava tanteraka ny orinasa, ho an’ireo mpanao asa-tanana sy mpanjaitra ary ireo vokatra efa vita sy ireo akora ary fitaovam-piasana ary ireo milina marobe an’ny mpandrafitra sy mpanjaitra. Mitotaly 300.000.000 Ariary ny teti-bidin’ny fahasimbana ary mpiasa 120 no very asa tsy fidiny vokatr’izany. Tonga teny an-toerana ireo sembana mpanao asa-tanana, sy ny tompon’andraiki-panjakana izay notarihin’ny Prefet-an’i Morondava. Orinasa iray ao anatin’ny Groupe Kimony & Resort ity orinasa ity, hany mampiasa tanora sy sembana eto Morondava ny CEM na ny centre eco-toristique du Menabe, misehatra eo amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany sy asa-tanana ato Menabe. Mitebiteby sy sahirantsaina ireo tanora sy sembana miasa ao vokatr’izao loza izao, ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ny mba hijerena vahaolana sy fanampiana ho azy ireo.

Tsara ho marihina fa maro ireo orin’asa madinika efa nitondra takaitra vokatry ny delestage teto Morondava, indrindra fa tamin’ity taona ity. Efa maro koa ireo fitaovana simba, isan’izany ny émetteur an’ireo onjam-peo eto Morondava, izay efa saika niharan’ny fahasimbana avokoa ary ao ireo mbola tsy vita, izany hoe misy onjam-peo mbola tsy mandeha nohon’ny fahasimbana nateraky ny delestage; ary maro koa ireo trano may fa tsy misy ny fandraisana andraikitra ataon’ny orinasa Jirama, izay raha ny lalàna velona eto amintsika dia tokony ho ny Jirama no manolo ireny fahasimbana vokatry ny kalitaon’ny herinaratra ireny.

Manao antso avo koa ny mponina, fa tsy ampy ny mpamonjy voina sy ny fitaovana famonoana afo, satria dia fiara iray efa reraka no mba misy ao ka misy foana ny fahatarana rehefa misy loza toy izao, etsy ankilany koa ny tsy fahampian’ny rano. Manontany tena ny rehetra hoe dia hiampy indray ve izany ny tsy an’asa vokatr’izao loza izao, satria dia mety ho very asa anatin’ny fotoana lavalava raha mbola tsy ho tafarina ny orinasa na koa dia ho very asa tanteraka, raha sanatria tsy tafarina intsony ny orinasa. Efa niantso ny tompon’andraikitry ny Jirama ny tompon’andraikitry ny orinasa, fa dia nasaina nanao tatitra nefa dia mbola tsy nisy valiny sy fandraisana andraikitra nataon’ny Jirama. Fa tamin’ny fotoanan’ny Festival Rifatsa, izay nokarakarain’ny solombavambahoaka Tsiliva dia ny toerana nisy ny hetsika dia tsy tapaka mihitsy fa ireo fokontany rehetra dia maizina hatrany rehefa tonga ny hariva. Eny fa na dia efa tapitra aza ny 3 herinandro izay nolazain’ny filoha Andry Rajoelina dia mbola tsy mivaha hatreto ny olan’ny delestazy aty Morondava.