Lalaon’ny Nosy – Zary ataon’ny fitondrana alasafay ny fandraisana azy

Sôh’son

13 andro sisa dia higadona ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana izay i Madagasikara no hampiantrano azy amin’ity andiany faha-23 ity. Efa antomotra izany fotoana izany raha mijery ny andro. Rehefa misaina izany tsara dia mitodika ny maso mijery ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalao sy ireo athleta maro avy amin’ireo Nosy rahavavy handray anjara. Mamakakafaka ihany koa ny fampivondronana sy ny fanomanan-tenan’ireo athleta malagasy hiatrika izany. Lalao iraisam-pirenena no hatao eto, mitaky fomba fiasa matotra sy tomombana an-tsakany sy an-davany izany. Iarahan’ny rehetra mahita anefa ny zava-misy.

Efa akaiky vao mikoropaka ny ministeran’ny fanatanjahantena, ny tomponandraikitra misahana ny lalaon’ny Nosy eto amintsika, ary indrindra ny fitondrana. Atao kongorevo alasafay ny zavatra atao. Be araka izany ny tsy milamina. Hiantehitra amin’ny herim-batan’ireo zatovo sy tanora Malagasy, ka hiandrandra fahombiazana ireo tomponandraikitra ireo? Niaraha-nandre tsara ny fimenomenoman’ireo tomponandraikitry ny federasiona tamin’ireo taranja samihafa noho ny tsy firaikan’ny fitondrana tamin’ny fikarakarana, ohatra, ny toerana hanomanan-tena, izay tsy hita hoe aiza, am-bolana vitsy lasa izay. Ny an’olona anefa, ny athletany, efa herintaona ngarangidiny tany no nanomanan-tena sy ny fikarakarana azy ireo. Tamin’izany fotoana izany, mbola tsy ao anaty kajin’ny fitondrana teto Madagasikara ny momba ireo antsika malagasy. Tsaroana tsara aza, ny lalao tokony natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy tamin’ny taon-dasa, fa tsy nandray anjara i Madagasikara. Atao an-tsirambina ny fitsinjovana sy fikarakarana ireo athleta malagasy. Dia hijapy indray koa izao ny fitondrana ny amin’ireo athleta malagasy niaro ny voninahitr’i Madagasikara, indrindra ireo nisalotra medaly volamena, volafotsy ary alimo, tany amin’ny lalaon’ny frankôfônia teo. Hoan’ny mpitazana dia zara raha nisy fandraisan’anjaran’ny fitondrana ho fanohanana azy ireo tamin’izany, fa tena herim-pon’izy ireo sy ny mpanazatra azy ary ny federasionany no nahazoana ny fahombiazana.

Izao, andro maromaro kely sisa dia higadona ity lalaon’ny Nosy hotanterahina eto ity. Ny fako misavovona miavosa etsy sy eroa amin’ireo lalambe samihafa eto an-drenivohitra, nefa hoavy ny vahiny. Dia ho lasa mpifosa ve vao hamafa trano? Ny lalana ratsy eran’ny tanàna mahamenatra, maneho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Tomponandraikitra voalohany amin’izany ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, ary tsy afa-miàla koa ny fitondrana Rajoelina. Ny fampahafantarana sy fanentanana samihafa amin’ny haino-vaky-jery, maivana dia maivana. Ny tamin’ny fitondrana taloha nikarakara tamin’ny fandraisana toy izao anefa efa am-bolana maro no niparitaka tamin’ny fitaovan-serasera nisy teto ny momba izany. Vitan’ny taloha izany, fa tsy vitan’ny fitondrana ankehitriny, iaraha-mahita tsara izany izao. Ahiana mihitsy, hoan’ny mpamakafaka ny haha afa-baraka ny firenena amin’izao endri-javatra izao. Raha izay tokoa no hitranga, mitaky fametraham-pialàn’ireo tomponandraikitra izany sy sazy ho azy ireo, fa manala baraka firenena.