10 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety sy izay mety hiantefany izao manaraka izao:

Fakafakao tsara fa mbola lavitra ny dia, mankasitraka sy mankatelina miaraka sy manohana raha tena ny fampandrosoana ny Firenena no tanjona – Miala i Rajoelina -Mahaleotena i Madagasikara tsy an’ny atsy na aroa, raha miala @ frantsay tsy hiaraka @ rosia na amerikana – Miova io lalam-panorenana io ary hatao ho tena tombontsoan’ny vahoaka – Hatao mazava tsara sy hapetraka tena hentitra ny lalam-pifidianana – Hapetraka ny fitondrana itsinjaram-pahefana, ny fokontany no vatofototry ny fampandrosoana, olomboafidy ny président, hatomboka any ny fifidianana – MAHALEOTENA ny fitsarana, ny HCC, ny CENI raha mbola hapetraka izany, FOANANA ireny fandaniambola tsy misy antony CFM ohatra – laïcité de l’État, – hasiana lalàna ireo secte mitsangana etsy sy eroa MPAMBOTRY vahoaka. Hanao fotodrafitr’asa hivelomany, fa tsy ny mpivavaka no tsihifina – Haverina daholo sy hamafisina ny fahasalamana ny fampianarana. Hatsaraina ny hôpital public, ny sekoly public ny Université public – Ny fambolena no himasoana voalohany indrindra mba HIVERENAN’NY tantsaha @ fambolena, homena fanampiana izy, soratana aminy ny tany hamboleny. Ny miaramila hanao ny grands travaux d’irrigation ohatra – Ny làlana tena ilaina rehefa betsaka ny vokatra, desenclave-na daholo ny toerana rehetra, ny làlana pavé no hatao ( efa niteny io aho 10 taona izay, mba nisy nangataka ihany) ny vato hananantsika, hasiana fifaninanana isaky ny commune. – ny fambolen-kazo hatao @ ireny jour férié hapetrapetraka ireny, eran’i Madagasikara no manao izany. Hasiana fifaninanana koa izany, mahazo loka ny 10 voalohany. Hilaina koa ny fanarahana io ary mijery ny hazo velona. Hamporisihina ny tsirairay hamboly hazo fihinamboa. Tokony hanao pépinière betsaka ny fanjakana @ fambolen-kazo, hazo fihinamboa koa io. Haverina ny fanafarana ny masombolintsika ary harovana tsara, jerena ny zezika mety amintsika fa tsy midikizo @ zezika simika HAFARANA. Trandrahana i Sakoa mba hihena ny fanapahana ny hazo @ filantsika @ fandrahoana sakafo – ny trondro izay tena harenantsika tokoa, nefa ny sasany no mitavana azy. Ny Malagasy izao tsy mihinana izany crevette, crabe, thon izany, nefa izy no mamokatra izany. Hiverenana ny fifanarahana @ japoney na ireo thonier Frantsay, mba ny mpanjono Malagasy no hisitraka izany, tsy maintsy manana sambo koa isika ary hasiana toerana voatokana ho antsika. Mila mesures d’accompagnement io, ny chambre froide, ny transport @ camion frigorifique…. – Resaka herinatra aleo hiverina @ énergie hydraulique isika , fa tsy hamelona ny vahiny @ groupe sy ny solika, ny énergie solaire koa hatao -Resaka solika, trandrahana i Tsimiroro sy Bemolanga, ary isika no hitantana izany , afaka hatao mirary ny vidiny no manampy koa eo amin’ny filàna mahandro – ny harena ambanin’ny tany, tsy hisy volamena hivoaka intsony fa hanao réservé d’or, ao koa ireo vatosoa tokony eto an-toerana no amboarina ho ravaka izay vao hahondrana. Hiverenana ny fifanarahana t@ Ambatovy , QMM… – Ny DIASPORA tsy ho adino, ireo no tena hanampy ny fampandrosoana, hirotsaka an-tsehatra, hitondra traikefa, hifanampy. Tokony hasian’ny fitondrana toerana eo @ fampandrosoana ny Firenena. Hasiana ministère ny diaspora ohatra ary hasiana azy isaky ny ambasady. Ireo ny asa miandry antsika tsirairay. Avelao any i rosia, na amerika na frantsay.

Dr Razafimahery
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao