EDITO 10 Aogositra – Miala Rajoelina. J- 30 – Tsy foana ny delestazy, tsy foana ny « embouteillage » eny Itaosy

Sôh’son

Miala Rajoelina, 30 andro sisa, na J-30, satria tsy tanteraka avokoa ireo zavatra nampanantenainy sy nolazainy. Tsy foana ny delestazy 3 herinandro nilazan-dRajoelina fa tsy hisy intsony izany, tsy foana ny fitohanana na ny embouteillage eny Itaosy tato anatin’ny 1 volana, nambarany anefa fa hahitana vahaolana izany tao anatin’ny 1 volana. Ireo anefa dia araka ny teny nataony imasom-bahoaka sy nitehafan’ireo mpanara-drenirano fotsiny teny an-dapa nanatrika izany fanamby izany telo herinandro lasa izay. Nazava tsara ny resaka tamin’iny fa miandry ny zava-hiseho ny vahoaka.

Hoan’ny olom-pirenena maro aloha dia efa be izay fampanantenana izay, ka tsy mino intsony izay ambaran’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina izy ireo. Niharihary rahateo ny fampanantenana poak’aty nataony tao anatin’izay dimy taona latsaka nitondrany ny firenena izay. Mazava loatra, raha tsy mino intsony ny olona maro eto amin’ity firenena ity. Iaraha-mahita, ohatra, ny vidin’entana fanjifan’ny mponina andavanandro izay niaka-bidy lavitra niohatra tamin’izay nampanantenaina tany amin’ny taona 2018-2019. Tsy misy izay tsy nisondro-bidy hatramin’ny entana madinika indrindra. Asa izay mbola hitranga rehefa miakatra indray ny saran-dalana, izay karazan’ny vanja milevina ho an’ny fiainam-bahoaka ihany koa io. Tao anatin’izay taona nitondran-dRajoelina izay, dia tsy nisy andro nihiratra ny fiainam-bahoaka maro an’isa, ankoatra ny an’ireo olom-bitsy miray petsapetsa amin’izao fitondrana izao.

Etsy ankilan’izany, tsy afaka ahiahy ny olom-pirenena ny amin’izay ho fizotran’ny fifidianana izay hotanterahina eto amin’ny firenena amin’ity taona ity, na dia niezaka niseho tamin’ny fahitalavitra niresaka tamin’ny mpanao gazety aza ny filohan’ny Ceni tamin’iny herinandro lasa iny. Ankoatran’ireo fanamarihana nataon’ireo mpanao politika momba ny fanazavana nataony, dia tsapa ho misy iniana hikimpiana fotsiny izao, fa tsy itadiavam-bahaolana akory, kanefa mety hisy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana sy ny ho fampandrosoana ny firenena. Anisan’izany, ohatra, ny anaran’ireo olom-pirenena tsy tafiditra ao anaty lisitra fanavaozana manontolo izay mahatratra hatrany amin’ny 2 tapitrisa latsaka. 81, 25% tamin’ny vinavinan’ny Ceni no tratrany. Dia ahoana izany ny amin’ireo tsy feno ireo. Efa nahafa-po ny Ceni io taha io na dia misy fahabangana 18,75% aza. Iniana ikimpiana avoaka ve ireo. Iaraha-mahalala tsara anefa, fa tsy ampy antsasaky ny vahoaka malagasy io isan’ny mpifidy io. Azo antoka ve anefa fa hifidy avokoa ireo 11 tapitrisa ireo. Amin’ireo aza, ny antsasak’izay, izany hoe any amin’ny 5 tapitrisa mahery no enjehina raha te hahazo ny antsasa-manila amin’ny vaton’ny mpifidy raha te ho lany amin’ny fihodinana voalohany. Heverina fa efa manao izany kajy izany ny kandidà hirotsaka amin’ny fifidianana. Ahiana anefa ny paipaik’ady politika maloto ao anatin’izany ataon’ny fitondrana, nanamafy izany indrindra indray ihany koa ny baiko nataon’ny minisitry ny atitany ho an’ireo lehiben’ny distrika manerana ny Nosy andro maromaro lasa izay. Amin’ity resaka isian’ny ahiahy ity, dia tsy tokony hijanona fotsiny ihany amin’ny filazana hoe ho hita eo, fa tena mila mandray andraikitra dieny izao ny hery velona rehetra eto amin’ity firenena ity hisorohana ny olana samihafa mety hitranga any aoriana. Aoka tsy hiara-hinia hikimpy miaraka amin’ny fitondrana…