MAZAVA NY SAFIDINAY

Mitetika mbola ho filoha malagasy
Kanefa efa tena vazaha taratasy?
Tsy mety aminay fa mialà, miataha
Re ry ilay efa saribakolimbazaha!

I Frantsa aminao izao no lohalaharana
K’aleo ianao hotsipihina anarana,
F’efa tsy mendrika handray fiaingàna
Satria hay mpamitaka tena igagàna!

Mitetika mbola ho filoha malagasy
Kanefa be pentina sy feno tasy?
‘Zahay efa tena nanao fampitaha
Ka tsy mila izay saribakolimbazaha!

Tsy ianao irery anefa fa misy ihany koa
Ilay vazahabe mpamitaka iray faharoa,
Izay nidehaka ery fony tany am-piaingàna
Kinanjo dia fako no haingon-tanàna!

‘Nareo izao no gasy efa niova fitàna
Ka ‘ndeha re ilaozy amin’izay ny tanàna.
‘Zahay gasy koa efa misy hiantsampazana
Ka dia tsy mila anareo niova razana!

Ilay Gasikara tsy lany olo-manga.
Veloma i vazahabe sy ilay lavasanga!
Fa safidy tokana ihany ny anay
Dia ny gasy madio fa tsy ny frantsay!

IRINA HO TAFITA (08-08-23)