Tanora TIM sy Rossignol Group Mada – Ankizilahy kely miisa 100 natao didimpoitra maimaimpoana

Isambilo

Ankizilahy kely miisa 100 teo, no natao didimpoitra maimaimpoana faobe, tao Ambohimanarina boriboritany faha-6 ny sabotsy teo. Tontosa izany hetsika sosialy izany, noho ny fiaraha-miasan’ny Rossignol Group Mada tarihan’i Lalaina Rabezanahary, sy ny Tanora TIM Ambohimanarina. Tao amin’ny sekoly Rossignols Ambohimanarina, no nanaovana izao hetsika sosialy izao. Nisy ny fizarana fanafody sy kilalao ho an’ireo ankizy natao hasoavana. Anisan’ny nanampy nikarakara ny hetsika koa hoy Lalaina Rabezanahary: Heriniaina Solofo Razanadrakoto, Noro Seheno, Rado Keynes, Rojovola, Aina… Nirary ireo ankizilahy kely ireo tsy ho ela fery izy. Efa fanaon’ny Rossignol Group Mada sy ny Tanora TIM Ambohimanarina isan-taona amin’ny andro ririnina toy izao, izao hetsika sosialy izao.