Famotsorana an’i Ninie Donia – Tsy nasian-dRajoelina sira hatreto ny fangatahan’i Wawa

Ny Valosoa

Tsy nasian’ny filoha Andry Rajoelina sira hatreto ny fangatahan’ny mpanakanto Wawa, ny amin’ny hamoahana any am-ponja ny mpanakanto Ninie Donia, izay voatazona any amin’ny fonjan’i Nosy-Be faritra Diana amin’izao fotoana.

Mbola mitsidika ny any Rwanda amin’izao fiandohan’ny herinandro izao, ny filoha malagasy ninia naka zom-pirenena Frantsay, ka ho hita eo ny ho valinteniny sy ny ho ataony rehefa tafaverina avy any Kigali. Raha tsiahivina, an-dranomaso no nangatahan’i Wawa amin’ny Filoham-pirenena ny hamoahana am-ponja an’i Ninie Donia. Nandohalika, latsa-dranomaso ny mpanakanto Andriamahazo Joël Issoubaly na Wawa, nandritra ny lahateny fanokafana ny festival Somaroho tany Nosy-Be, ny alakamisy lasa teo. Nangataka tamin’ny Filoha izy ny hamoahana am-ponja amin’izay ilay Mpanjakavavin’ny salegy. « Ampy eky zay, na teo aza ny fahadisoany. Na mbola tsy vita aza ny saziny dia tokony havela hipetraka amin’ny tranony izy, na misy mpiambina aza, » hoy Wawa tamin’izany.

Tsy i Ninie ihany no gadrain’ny fitondrana Rajoelina tsy an-drariny sy noho ny resaka politika toy izao, fa tokony havoakany amin’izay ireo rehetra hianjadian’izany, izay mbola voatazona am-ponja ankehitriny, toa an-dry Claudine Razaimamonjy, Rolly Mercia, Berija, Lola Rasoamaharo, Mbola Rajaonah, Beari Marcellin,… mba hisian’ny fitoniana amin’izao hiatrehantsika fifidianana izao, sy ao aorian’izany.