Fifidianana. Tanora TIM Toamasina I – Vahaolana ho an’ny tanora koa ny Filoha Ravalomanana

Isambilo

Azo lazaina ho fahombiazana ny fihaonamben’ny Tanora TIM Tomasina I, faritra Atsinanana ny faran’ny herinandro teo, satria nahatratra 300 mahery ireo tanora resy lahatra tonga nandritra izany. Namondrona ny mpikatroka Tanora Tim ao anatin’ny distrikan’i Toamasina voalohany ireo mpitarika ny Tanora Tim ao Toamasina, ka vory lanona ny tanora vonona hifanome tanana amin’ny antoko amin’ny fiatrehana ny fifidianana.

Resy lahatra avokoa ny mpizaika nandritra izany, fa ny kandida ho filoha Marc Ravalomanana ihany, no vahaolana farany ho an’ny tanora. Nanentana ireo tanora mbola matoritory ihany ko aizy ireo, fa fotoanan’ny fifohazana izao raha te hanova ny tantaran’ity Nosy malalantsika ity. 300 mahery ireo tanora tonga avy amin’ny Firaisana 5 ao anatin’ny distrikan’i Toamasina voalohany. Efa mipetraka ihany koa ny rafitry ny Tanora Tim ao amin’ny Oniversite Barikadimy. Hiparitaka amin’ireo boriboritany 5 ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana izy ireo, hampandresy ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ho avy.