FIFIDIANANA SA FIVIDIANANA ?

Fifidianana no hisy sa hiofo ho fividianana?
(F’efa izany no hita soritra ao ambadimbadika ao!)
Tolorana kodiaran-droa ireo hanao ny fanomanana,
Ary ireo eny amin’ny avo, homena fiara vaovao?

Iretsy ilay mpitsindro-pako, ireo mahantra faraidiny,
Mody omena tapa-gony dia voavaha ve ny filàny?
Zavajava-toy izany no hanovana ny safidiny?
Tsy vahaolana maharitra fa vonjy tavan’andro hatrany!

Ny olana ara-tsosialy, toa tsy dia mba maharototra,
Jiro tapaka matetika, herinandro tsisy rano!
Fidedahana no betsaka: fametraham-batofototra,
Toa tsy manana fiantraikany ho an’ny isan-tokantrano!

…Ka dia asa izay hiseho rehefa hifarana ny volana,
F’efa maro no manahy ny mbola hisian’ny fitapitaka.
Hiala ve ilay raikalahy sa mbola tena hiolanolana?
Te hamahatra izy mantsy ka manomana saritaka!

TSIMIMALO (07-08-23)