MATAHOTRA MAFY ?

Angaha dia matahotra mafy sahady
Kanefa nirehaka hoe tompondaka?
Aleo amin’izay tena hifampitady
Amin’ny fifidianana raha mahazaka!

Angaha dia matahotra mafy sahady
Kanefa efa manana ny hery rehetra?
F’angaha tsy voavidy indray ireo be girady
No mbola laroim-pomba tena voretra?

Angaha dia matahotra mafy sahady?
(Mpitondra ronono no mba advà!)
Tena olona tsotra tsy dia zatra ady
Ve dia haharesy ny karatekà?

Angaha dia matahotra mafy sahady
No alefa mialoha ny propagandy?
Sa efa madiva hivarina an-kady
Ka miasa ny lainga sy ny vandivandy?

Angaha dia matahotra mafy sahady
No efa miroso mangala-piaingàna,
Sy manao ireo tetika mamoafady
Izay tena voarara, tsy eken’ny lalàna?

…Ny miaina amin’ny tahotra anie mampahory
Ka mieritrereta raha ho kandidà,
Fa aleo toa anay, tsy mirotsaka akory,
Sao io no hahatapaka ny lalan-dra!

DADAN’i ZINA (03-08-23)