HISY VE NY FIFIDIANANA ?

Mampametraka baraingo ny hisian’ny fifidianana
Amin’ny endriny madio sy ankatoavin’ny rehetra,
Noho ny ataon’ny sasantsasany eo an-dalam-panomanana
Hevi-dratsy sadasada miampy tetika voretra.

Indro alefany baiko sy karazan-tenimita,
Ho an’ireo izay notendrena isaky ny faritany.
Ireo no hamory ny vahoaka, hitatitra ny zava-bita,
(Efa toa propagandy raha ny fijerena izany!)

Etsy andaniny dia indreo fa tonga hatramin’ny fanambazana
Sy ny fividianana olona amim-bary tapa-gony.
Mody tena abaribary ny fitiavan-tanindrazana,
Nefa ara-taratasy, hay « ilay iray » tsy gasy intsony!

Ireo nilaza fa hirotsaka, isaky ny mba mandingana
Dia iharam-pandrahonana ary koa tampenam-bava.
Hiatri-pivoriam-piangonana dia iharam-pingampingana,
(Izay ilay tetika maloto mahazatra ny mpandrava!)

…Ka mampametraka baraingo ny hisian’ny fifidianana,
F’efa be ny teti-dratsy izay atao any amin’ny sisiny.
Vao mainka ho faly iretsy vendrana raha misy ny fikorontanana
Fa ho avy ny « tetezamitatra » efa iriny sy nofisiny!

DADAN’i ZINA (06-08-23)