EDITO 8 Aogositra – Rajoelina – Miaro ny tombontsoa Frantsay nefa mbola tena ho filoha Malagasy

Sôh’son

Manomana fatratra ny fifidianana ho amin’izay eritreriny sy ny tanjony kendreny ny fitondrana Rajoelina sy ireo olony ao anaty andrim-panjakana samihafa. Anisan’izany ny baiko nomen’ny minisitry atitany vao tsy ela izay ho an’ireo lehiben’ny distrika. Efa nilaza ny heviny momba izany ny avy amin’ny fanoherana fa paipaik’ady politika ho fampandaniana ny kandidam-panjakana izany fihetsika izany. Fa tsy mihaino sy mody fanina amin’izany toy ny fomba fanaony ny fitondrana.

Tamin’ity herinandro ity ihany koa dia fantatra fa nanamafy ny filazàny teo aloha ny HCC, ny amin’ny hoe izay tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy dia tsy afaka hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Ny mampiahiahy tanteraka, tsy re manamafy sy hentitra mihitsy ity andrim-panjakana ity, tsy miresaka izy ny momba ny amin’ny hoe izay mizaka ny zom-pirenena frantsay dia tsy afaka hirotsaka hofidiana. Ity fizakana ny zom-pirenena frantsay nataon-dRajoelina ity anefa no tena olana iray lehibe eto amin’ny firenena izao. Tsy azo ekena ny fizakana ny zom-pirenena frantsay ho an’izay te ho filoham-pirenena malagasy. Soa ihany fa efa 32 andro sisa: J- 32 dia hametra-pialana ity filoha Vazaha mitondra ny Malagasy ity raha mbola hirotsaka. Hikimpy amin’izany indray koa ve ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC)? Ny nataon’ny teo alohany aza ity mbola manahiran-tsaina sy miteraka fanontaniana maro sy adihevitra be izay tsy hifarana velively. Raha mbola minia miroso amin’izany ny HCC ankehitriny dia tsy mivaky loha mihitsy amin’izay hoavin’ity firenena ity sy ny taranaka hoavy hifandimby rehetra.

Tsy maintsy sarotiny sy saropiaro tanteraka amin’ny fiandrianam-pirenena ny vahoaka malagasy, ny olom-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy amidy sy tsy omena ny vahiny velively ity Nosy malalantsika nolovaina tamin’ny razana ity. Tsy azo ekena ny hisiana filoham-pirenena malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, fa mazava loatra, tsy maintsy saribakolin’ny fitondrana frantsay izy n’inona n’inona fanazavana atao. Tsy hanome lanja ny tombontsoan’ny firenena malagasy miohatra ny amin’ny tombontsoan’i Lafrantsa eto velively izy. Araka izany dia tsy maintsy hitohy ny fitsetsefan’ny fitondrana frantsay ny harem-pirenena eto amin’ny Nosy sy indrindra amin’ireo Nosy manodidina, izay takiana ny hiverenany amin’ny Malagasy. Tsy ho azon’ny Malagasy madiodio izany ireo Nosy ireo raha mbola Andry Rajoelina no ho eo amin’ny fitondrana. Efa maro ireo lahatsoratra nosoratana momba izany teto tao anatin’izay dimy taona nitondrany izay.

Ankehitriny mena-mitaha amin’ny firenen-kafa i Madagasikara noho ny fahantrany lalina. Mbola ambakan’ilay kolonely afrikana nivory tany Rosia, sahy niteny namaky bantsilana ny zava-misy sy naneho ny heviny momba ny tokony ho fitondran-tenan’ny filoham-pirenena aty amin’ny kaontinanta afrikana ihany koa, i Andry Rajoelina. Mazava loatra tsy sahy hanao toy ireny izy, satria… olon’ny Frantsay, ary i Madagasikara ekeny hatrany ho voafatotra sy gejain’i Frantsa toy izao.