J-36 – RY SARIBAKOLIMBAZAHA !

Veloma ry saribakolimbazaha
F’efa leo sady tofoka anao ny vahoaka.
Fehezo ny vata ary dia miataha
Sao hitombo ireo adina sy ny ampamoaka!

Na vola na zavatra dia naparitaka
Hoenti-mambabo ny fon’ny gasy.
‘Zahay kosa anefa leo toky fitaka,
Sady tsy mila vazaha taratasy!

Veloma ry saribakolimbazaha,
Mandehana mamonjy ny « reny malala ».
Izay namany koa dia andeha manaraha
An’ity tompondaka efa toa lany bala!

Ny anay gasy ihany no tianay tohanana,
Izay fa tsy saribakolimbazaha,
Koa ataovy malaky ary ny fifidianana,
« Gasy madio » ihany ny anay tantsaha!

TSIMIMALO (03-08-23)