NY KOLONTSAINA FOZAORANA

Ny kolontsaina fozaorana? tsotra ihany raha ambara:
Fanagiazan-tsamy irery ireo mamiratra sy tsara,
Fa ny fakofakon-javatra, ireo no atsipy sy zaraina
Ho an’ireo tena mahantra, mba ho fanodinan-tsaina!

Ny kolontsaina fozaorana? misy kajy tsara rindra,
Ka dia ny fitiavantena, io no lehibe indrindra.
Ireo vaventy hatrany hatrany no iarahana midola,
Ailika tsy handray anjara raha vao kelikely vola!

Ny kolontsaina fozaorana? miorina amin’ny fidedahana,
Ka atao izay hisehoana, tena atao izay hiavahana !
Dia avy eo mamoky lainga sy mampanantena volana,
Nefa tsisy, tena tsisy izay mba tena vahaolana!

Ny kolontsaina fozaorana? ny avo ihany no tovonana.
Izay mba miezaka hanitsy dia iharam-pandrahonana.
Kolontsaina tena hafa, ny an’ny biby no narahina,
Ka tsy hay ny fanavahana ny volamena sy varahina!

Ny kolontsaina fozaorana? O avy aiza no nipoirany?
Tsy voafaritra mazava izay niaviany sy nidirany.
Ny hany fantatra dia tsotra, hita ho nitera-doza
Ho an’izay nanandratra azy ilay hoe KOLONTSAINA FOZA!

DADAN’i RIANA (04-08-23)