ANTSON’ITAOSY MIRAY

Itaosy miray ihany re f’aza fady
No mampiaka-peo f’efa tena mafy ady.
Tsy misy mamiratra ny eto an-tanàna
Kanefa efa be ny fampanantenana!

Ny « ambotaka » aloha mampiteny ny moana:
Raha miainga eny Itaosy ary hamonjy fotoana,
Dia efa kajiana ho tsy maintsy ora iray,
Ny Itaosy ho eo Ampasika fotsiny izay!

Ny filoha raha nandalo dia nampanantena
Fa hoe « iray volana » ihany no omena,
Dia tena hilamina ny « ambotaiazy »,
Kinanjo dia resaka fotsiny ny azy.

Fa tsisy fiovana ny ety aminay.
Resabe no nataon’ilay anankiray!
Efa tsy mahagaga ary tsy maharototra,
Ireo laingabe nefa marivo tototra!

Ankoatry ny resaka « ambotaiazy »
Dia tena manjaka ny « delestazy ».
Fanampiny ny fijaliana isan-trano,
Fa tontolo andro tsy misy ny rano!

Santionany ihany ireo notanisaina,
Fa lava ny lisitra raha holazaina.
Fandriampahalemana aleo tsy tenenina,
Fa mila hihisatra hatramin’ny penina!

…Ka aminay, efa be ny ala nenina
Fa ny mpitondra no toa bemarenina.
Itaosy miray koa mba leom-boanana,
Ka miandry fotsiny ny fifidianana!

IRINA HO TAFITA (02-08-23)